Daty anisan’ny manana ny tantarany eto Madagasikara ny 13 mey, izay tsarovana anio. Daty nisehoana tolona nahery vaika, nokasain’ireo mpitolona ho fanovana ny tantara. Ankehitriny anefa, vitsy ny mpianatra, indrindra ny tanora sy ny ankizy, no mahalala izany. Fototra nijoroan’ny tolona tamin’ny taona 1972 ny mahakasika ny lafiny fampianarana. Ny mpianatra […]
Songadina
Vonjy voina eo anivon’ny CRM: miahy ny maha olona sy ny marefo ny mpilatsaka an-tsitrapo
Sehatra iray mahaliana ny ankamaroan’ny tanora ny fidirana amin’ ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara. Anisan’ny sampana iray manatanteraka ny fanampiana ny olona marefo manerana ny Nosy ny mpamonjy voina, Croix Rouge malagasy. Tambajotra miahy ny maha olona sy ny marefo eto amin’ny Nosy ny sampana vonjy voina, Croix Rouge malagasy […]
Fanatsarana ny tontolo iainana : miaro ny loharano ny fanodinana ny menaka vidange ho lasa angovo
Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny ala ny fampiasana ny arina fandrehitra sy ny kitay. Miha mitombo, araka izany, ny olon-tsotra sy fikambanana mamokatra fatana ekolojika, amin’ izao. Anisan’ izany ny fatana vita amin’ ny menaka vidange. Mbola manan-danja eo amin’ny Malagasy ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay hatramin’izao. […]
Olan’ny rano sy ny fiovan’ny toetr’andro : vahaolana ny fametrahana fitahirizan-drano sy tohodrano manerana ny Nosy
Mbola misedra olana vokatry ny fiovan’ny toetr’ andro sy ny rano i Madagasikara hatramin’izao, raha ny zava-misy. Manana anjara goavana hamahana ny olana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana. Mbola ambany ny fanomezan-danja ny ady amin’ny fikorontanan’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny lafiny rano fidiovana sy […]
Dihy vakodrazana : anehoana ny fomba amam-panao, taovolo, fitafin’ny isam-paritra
Kolontsaina sy soatoavina iray be mpankafy sy be mpitia eto amin’ny firenena sy maneran-tany ny tontolon’ny dihy. Tanora sy ny ankizy no tena liana sy mandranto fahalalana mahakasika izany, amin’ny ankapobeny. Lasa mirona any amin’ny kolontsaina vahiny ny ankamaroan’ny tanora malagasy amin’izao fotoana, indrindra eo amin’ny tontolon’ ny dihy. Zary […]