Songadina

Razanamahasoa Christine : “Fantatro saingy tsy holazaiko ny nandroba tao an-tranoko”

Nitondra fanazavana fohy, manoloana ny fandrobana ny tranony, ny alin’ny sabotsy teo, ny filohan’ny Anteni­mi­e­rampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Mazava ny nambarany. “Mahafantatra ny nahavita izany aho ary tsy ahiahy intsony. Tsy holazaiko anefa izany na tena fantatro aza. Ijoroako ny fanahy mibitsika ato amiko amin’ny fahamarinana”, hoy izy. Nan­te­riny fa […]

Hasarotam-piaro… : polisy nanindrona antsy ny rafilahiny

Ny an’ny miaramila mbola tsy vita ny fanadihadiana, manao ny ataony koa ny polisy! Nivoraka mihitsy ny tsinain’ilay rafilahiny vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray, tao Maroantsetra… Olombelona ihany sa tsy ampy fanadihadiana ara-moraly mialoha ? Naratra mafy ny raim-pianakaviana iray vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray azy teo amin’ny […]

Fivorian’ny Bad any Egypta : handray ny amboara “Trophée Babacar” ny filoha Rajoelina

Hotanterahina ny zoma izao any Sharm el Sheikh, Egypta, ny fivorian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Anisan’ny hiatrika izany any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry. Mandritra izany fihaonana izany no hanolorana azy ny amboaran’ny mpanorina lehibe aty Afrika «Lauréat du super prix grand bâtisseur», amin’ny alalan’ny «Trophée Babacar Ndiaye […]

Fipoahana herinaratra : Citerne mpitondra solika nirehitra

Lasa lavenona tao anatin’ny ora maromaro, ireo kamiaobe kila hotohoton’ny afo, tao amina garazy iray, ao amin’ny fokontany Antanimalandy, Mahajanga II, omaly atoandro… Afobe! Nitrangana fahamaizana mahatsiravina tao amina garazy ana mpandraharaha iray mpitantana tobin-tsolika ao Ma­hajanga, omaly tamin’ny 12 ora sy 48 mn. Nahazo loharanom-baovao ny eo anivon’ny fari-piadidian’ny […]

Fidirana an-tsokosoko tao an-trano : voaroba ny vola sy ordinateran’ny filohan’ny Antenimiera

Namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny “Com Pdt Assemblée Nationale” ny filohan’ny Antenimie­rampirene­na, Razanamahasoa Christine fa nisy niditra an-tsokosoko tao amin’ny trano fonenany, eny Andohan’i Mandroseza. Niseho ny alin’ny sabotsy 20 mey teo izany ka nahaverezana telefaonina fampiasan’ity lehibena Andrimpanjakana ity. Voarakitra ao anatin’izany avokoa ny fifandraisana rehetra. Lasan’ireo olon-dratsy koa ny […]