Ahitra maniry sy ambolena izay efa miparitaka amin’ny faritra maro maneran-tany ny Vétiver. Mitondra soa eo amin’ny tontolo iainana sy ho an’ ny fahasalaman’ny olombelona koa izy io. Ahitana izany ny any Inde, izay faritra niaviany, i Chine, Malaisie, Haïti, amin’ny ranomasimbe Indianina ary atsimon’i Afrika. Efa ahitana izany maniry […]
Songadina
Fambolena bonsaï : zavakanto avy amin’ny fomba amam-panao sy kolontsaina japoney
Karazana zavakanto avy amin’ny fomba amam-panao sy kolontsaina japoney ny fambolena bonsaï. Miparitaka maneran-tany ary ahitana mpanao izany eto Madagasikara. Avy amin’ny teny japoney, midika hoe «bonne-saille», milaza sy manondro zavakanto ambolena ao anaty koveta marivo na vilia fisaka iray. Mba hanomezana azy endrika mihaja toy ny hita eo amin’ny natiora, fa manaraka […]
Faritra Atsinanana : maro ireo fotodrafitrasa vita, hanatanterahana ny Veliranon’ny filohan’ny Repoblika teo aloha
Fomba fitenin’ny mpanao politika matetika ny hoe mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona. Anisan’ny faritra nisitraka fotodrafitrasa maro samihafa avy amin’ny alalan’ny fampanantenan’ny filoha teo aloha ny any amin’ny faritra Atsinanana. Nisitraka fotodrafitrasa maro samihafa ny any amin’iny faritra Atsinanana iny, distrikan’ i Mahanoro manokana, raha ny fanadihadiana natao. […]
Herisolomahefa Honorat : lalana hisokafana amin’ny sehatr’asa ny fanaovana hatsikana
Asa iray mampifoha ny talenta ao anatin’ny olona iray ny fanaovana hatsikana. Talenta ahafahana misokatra, ahitana fifaneraserana sy asa maro samihafa ihany koa izy io. “Tsy mahavelona ny fanaovana ny hatsikana raha eto Madagasikara manokana satria miankina amin’ny fiantsoan’ireo mpiakaraka fety sy lanonana ny asany”, hoy ny mpanao hatsikana sady mpanentana, Herisolomahefa Honorat, raha […]
Lalitra mainty na BSF : azo atao sakafo ho an’ny olombelona sy ny biby fiompy
Mitombo ireo olona misehatra amin’ny fiompiana lalitra mainty raha ny eto Madagasikara. Ny fahitana ireo karazana proteina sy lipida amin’ny tahany ambony no mandrisika azy ireo hanao izany. Efa manomboka fantatry ny olona ny fiompiana bibikely antsoina hoe lalitra mainty. Black solder fly (BSF) ny fiantso azy amin’ny fiteny anglisy. Mouche soldat noir (MSN) […]




