Hanjakan’ny fomba fisolokiana avolenta sy halatra eo amin’ny fandanjana fiara ny mpampiasa fiara vaventy eny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Tsy maintsy mandalo amin’ny fandanjana, izay tantanan’ny sampandraharahan’ny fitaterana sy ny asa vaventy avokoa ireo kamio. 44 t ny vesatra ara-dalana, PTR (Poid Total Régulier), azon’ny fiara entina, mivoaka ao amin’ny seranantsambon’i […]
Songadina
Fikambanana Mamré : masera manokan-tena ho an’ny Tompo eo anivon’ny FJKM
Toy ny amin’ny fiangonana katolika, manana masera ihany koa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Fikambanan’ireo vehivavy masera mivelona amin’ny fiainam-bavaka sy manokan-tena ho an’ny Tompo no antsoina hoe Mamré. Mbola vitsy ireo mahafantatra azy ireo manerana ny Nosy, indrindra ny any ambanivohitra, raha ny fanadihadiana natao. Mahafantatra ny fisian’izy ireo kosa ny olona […]
Olana goavana : mahatratra 70 % ny tanora tsy an’asa eto Madagasikara
Olana goavana eto Madagasikara ny tsy fananana asa. Mihatra amin’ny tanora sy miteraka fahantrana ankapobeny eto amin’ ny firenena, izay nisy 72,5 % tamin’ny 2012 ary 10 taona aty aoriana, ny 2022 , nitombo ny fahantrana, nahatratra 81 %. Araka ny fanadihadiana natao, mitombo hatrany ny tsy fananana asa eto […]
14 oktobra 1958-2023 : 65 taona no nijoroan’ny Repoblikan’ i Madagasikara
14 oktobra 1958-14 oktobra 2023. Feno 65 taona katroka ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Inona marina? Misy milaza fa tena fetim-pirenena ny datin’ny 14 oktobra, nijoroan’ny firenena iray tsy mivaky amin’ny maha Repoblika azy. Tantara… Nambara teny amin’ny efitrano filanonan’ny lycée Galliéni, Andohalo, ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, […]
Jardin miniature : singa ara-javakanto japoney hanehoana ny an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra
Misafidy ny hametraka sy hanamboatra karazana zaridaina hafakely (jardin miniature) ny ankamaroan’ny olona, raha ny fanadihadiana natao. Niainga avy amin’ ny zavakanto japoney ny niatombohan’ny fanamboarana azy. “Manonofy mahita dobokely na lehibe misy riandrano, loharano, tanàna maro samihafa any amin’ireo toeram-pialantsasatra maro samihafa eto amin’ny Nosy, rehefa mahita ny jardin […]




