Niorina ny taona 2014 ny fikambanam-behivavy Miavotra any Ampitambe Moramanga. Nahazo fiofanana ara-teknika amin’ny fambolena legioma sy voankazo tamin’ny orinasa Ambatovy izy ireo, ary efa mahaleo tena ara-pitantanana. Ankehitriny, mahatratra 1 taona isam-bolana ny vokatra vatsian’ny fikambanana Miavotra ho an’ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny taona 2023. Nilaza ny filohany, Razanamanana […]
Toe-karena
Laharana maitso 261: Misokatra amin’ny fanararaotana vidin’entana
Azo antsoina ny laharana maitso 261, handraisana fanamarihana sy fitarainana momba ny fanararaotana amin’ny vidin’entana sy ny ahiahy momba ireo fitaovam-pandrefesana sy fandanjana. Voasokajy ao anatin’izay ny hosoka amin’ireo entam-barotra na trangana kolikoly mahakasika ny varotra. Ho tanana tsiambaratelo ny momba ny mpiantso. Ankoatra izay, laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria […]
Global Gateway: Paikady ho an’ny fampandrosoana
Vita sonia omaly, tany Toliara, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny masoivohon’i Alemaina, ny masoivohon’i Frantsa ary ny Vondrona eoropeanina (UE) ho an’ny fampandrandrosoana an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny “Stratégie conjointe européenne à Madagascar ” (SCE) sy ny fanjakana malagasy. Hetsika hamaritana ireo tetikasa hatao hatramin’ny taona 2027. Mitentina hatrany amin’ny 5 000 […]
“MECC 2025”: manamora ny fifanankalozana ara-barotra i Madagasikara sy i Canada
Hiara-hiasa ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanamorana ny fifanankalozana ara-toekarena sy ara-barotra, araka ny iraka apetraky ny Antenimieran’ny varotra sy ny fifandraisana, eo amin’i Canada sy i Madagasikara izany (Cancham). Manampy ny Malagasy mpandraharaha hiditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hampiroborobo ny toekarena ny hetsika “Mission économique et […]
VAOVAO TAMBATRA
Sambo iray nitondra hazo tsy ara-dalàna no tratran’ny ekipan’ny fitantanam-paritra Dredd Analanjirofo tany Anove Atsimo, kaominina Manompana, distrika Soanierana Ivongo, ny alahady 19 janoary teo. Miisa 100 ny hazoala tao anatiny, tombanana ho avy any Mananara Avaratra. Nandositra avokoa ny olona tao anatiny ary efa eo am-pikarohana azy ireo ny […]