Toe-karena

FIOFANANA HAINAHANDRO : mampivoatra ny tanora

Hotanterahina ny sabotsy 16 desambra 2023 izao, etsy amin’ny Radisson Ambodivona, ny andiany voalohany mahakasika ny « Salon de l’orientation en hôtellerie, restauration, art culinaire ». Hetsika karakarain’ny eo anivon’ny Edustep. Natao hanampiana ny tanora sy ny mpianatra liana amin’ny fanarahana ny lalam-piofanana mahakasika izany. « Tanjona ny hampahafantarana sy hitaritana ary hisarihana […]

Tsenaben’ny mpandraharaha : manampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra

Nanomboka omaly ka hifarana ny sabotsy izao ny Tse­naben’ny mpandraharaha, andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Madagascar Entreprises Développement (MED) etsy amin’ny zaridai­nan’Antaninarenina ahafahan’ ireo mpandraharaha samihafa mampiranty ny vokatra ataony. « Tanjona napetraka ny hitadiavana lalam-barotra, ny fampitomboana ny rantsam-pifandraisana fa indrindra ny fanomezan-danja ny vokatra mala-gasy », hoy ny fanazavan-dRazanadrakoto Ambinintsoa, filohan’ny […]

Delestazy : nandroso vahaolana ny mpandraharaha tsy miankina

Namoaka fanambarana, ny 12 desambra teo, ny vondron’ny mpandraharaha tsy miankina manodidina ny 30 eto Madagasikara. Anisan’ny navoitran’izy ireo ny fandanian’ny orinasa mihoa-pampana amin’ny herinaratra vokatry ny delestazy lavareny. Miantraika ratsy any amin’ny fiharian’ny mpandraharaha ny delestazy. Efa nisy hatry ny ela ny tetikasa famokarana herinaratra azo avaozina sy ny avy […]

Hetsiky ny Hazovato Forello Expo : manomana ny tsara ho an’ny taona 2024

Nanao jery todika ny hetsika rehetra notanterahiny tao anatin’ny taona vitsy ny Hazo­vato Forello Expo, omaly, teny Antaninarenina. Tsara ny vo­katra, « afapo izahay. Naha­fa­hana nahitana fomba fiasa vaovao hanatsarana ny hetsika mbola ho avy ireo vita rehetra. Nahazoana mpiara-miasa vaovao ihany koa izany », hoy ny fanazavan’ny talen’ny Forello Expo, Laélia […]

Angovo azo avaozina: miasa ny Centrale solaire ao Marovoay

Vita tanteraka ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale solaire) CS ao Marovoay. Azo tsapain-tanana ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo avaozina. Azo avy amin’ny masoandro ny 60% amin’ity famokarana herinaratra CS ity raha toa ka avy amin’ny milina mpihary herinaratra (Groupe électrogène) mampiasa solika mavesatra kosa […]