Toe-karena

Famatsiana herinaratra : hihodina ny taona 2025 ny tobim-pamokarana ao Ambohimanambola

Hiasa manombola amin’ny volana jona 2025 ny tobim-pamokarana herinaratra ao Ambohimanambola. Hitondrana vahaolana fohy ezaka, hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Vahaolana fohy ezaka. Hamokatra herinaratra 105 MW ity tobim-pa­mokarana herinaratra eny Ambohimanambola mandeha amin’ny solika mavesatra ity afaka valo volana. Natomboka ny taona 2022 ny fanamboarana saingy mitarazoka […]

Fihaonamben’ny CEO Summit : hodinihina ireo fanambin’ny toekarena lovainjafy

Hotanterahina eto Anta­nanarivo, ny 5 sy 6 desambra izao, ny fihaonana an-tampon’ ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mahe­rin’ny 300 ireo mpanapa-kevitra, tompona orinasa, handinika ireo vina toekarena aty amin’ny faritra voalaza hananganana paikadim-piaraha-miasa hampiroboroboana ny fampandrosoana lovainjafy. Ambohipihaonan’ireo mpandraharaha mitady fanavaozana ho an’ny hoavin’ny toekarena ny […]

Fizahantany : hatsangana ny Village artisanal

Vavahady hidirana eto Madagasikara ny fokontanin’Ivato, toerana hananganana ny Village artisanal, ho fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana malagasy. Hita eny an-toerana avokoa ireo karazana asa tanana sy vokatra mampiavaka ny Nosintsika. Hisy ny toerana ho an’ny varotra fampirantiana sy fampisehoana ny fahaizan’ireo mpanao asa tanana. Vita tanteraka ankehitriny […]

Angovo fandrahoan-tsakafo : mampiasa kitay sy saribao ny 95% ny Malagasy

Tafiditra ao anatin’ny fampiasana angovo azo havaozina ny fandrahoan-tsakafo madio. Tanjona ny tsy hiankinandoha amin’ny fampiasana kitay sy saribao be loatra intsony. Natomboka omaly, ny famolavolana ny Po­litikam-pirenena hampiroboroboana ny fomba fandrahoan-tsakafo madio eto Ma­dagasikara. Miaraka mi­kaon­doha amin’izany ny fanjakana, ny vondrona olona eny ifotony, ny sehatra tsy miankina, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hojerena ireo tetikasam-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano lehibe, toy ny Mahavola izay hamokatra 300 MW. Eo ihany koa ny ao Antetezambato izay hamokatra herinatra 142 MW, Sahofika 192 MW, Volobe 120 MW. Hamokatra herinaratra 6MW ny riandrano ao Mandraka, 56 MW ho an’Ambodiroka, 10,5MW ho an’Ankelimahery raha 56,6MW kosa ho […]