Nilaharana ny lasantsy SP 95 eny amin’ny toby mpaninjara solika sasany eto Antananarivo sy Toamasina, nanomboka ny alatsinainy teo. Hikorontana ny famatsiana azy ato anatin’ny roa andro, raha ny fanazavana nomen’ny OMH. Miantraika amin’ny famatsiana solika aty Madagasikara ny ady any Moyen Orient, ifandonan’ Iran amin’Etazonia sy Israely. Raha ny […]
Toe-karena
RR36 : Harenina ny lalana Mahitsy-Farahantsana
Mandeha ny asa fanarenana ny lalam-paritra RR36, mampitohy an’i Mahitsy sy i Farahantsana. Efa ela no nampikaikaika ny rehetra ity lalana ity, noho ny fahasimbana sy ny fahatereny. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny zoma 13 marsa teo, ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Asa vaventy, Ramanankavana Christian. Hita fa efa […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 3 500 Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy. Niakatra ho 6 000 Ar ihany koa ny kilaon’ny tongolobe. Misondrotra daholo amin’ ny ankapobeny ny vidin-tsakafo eto an-dRenivohitra, amin’izao faramparan’ny fotoam-pahavaratra izao. Etsy ankilany anefa, midina ny vidim-bary, izay 700 Ar hatramin’ny 1 000 Ar ny vidin’ny iray […]
Korontana tao amin’ny Orange Madagascar : Tafaverina ny ankamaroan’ny tolotra
Tafaverina amin’ny laoniny ny ankamaroan’ny tolotra omen’ny Orange Madagascar taorian’ny korontana tamin’ny tambajotra nanomboka ny 13 febroary teo, araka ny fampahafantarana nataony. Nohazavainy fa avy amina toerana teknika miisa roa eto Antananarivo sy Toamasina no fototry ny olana. Vantany vao niseho ny olana dia nampandrenesina ny ekipa teknika ka nandray […]
« Salon Voatra » : Fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Maroc
Hotanterahina ny 1 sy 17 avrily ho avy izao, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny “Salon de la créativité Voatra” andiany faha-12. Hetsika hanandratana ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Vahiny manokana amin’ity andiany ity i Maroc, noho izy firenena matanjaka sy manana stratejia ary maodely ara-toekarena mifanaraka amin’ny filàn’i Madagasikara. […]




