Toe-karena

Fiantraikan’ny delestazy : matiantoka tanteraka ireo orinasa madinika

Potika ny fihariana. Mi­teraka fatiantoka goavana ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany miankindoha amin’ny herinaratra ny delestazy lavareny. Voatery mampiato ny asany sy miandry ny fiverenan’ny herinaratra izy ireo. Vokany, mihena ny fidiram-bola, tsy afa-manoatra ihany koa fa tsy maintsy miaina ao anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ireo tompona orinasa. “Angatahanay kosa […]

Fihaonana an-tampon’i Afrika : Solontena i Helisoa Mampionona

Hotontosaina any Addis Abeba, ny 14 hatramin’ny 16 oktobra ho avy izao, ny fihaonana an-tampon’ireo tanora aty Afrika. Hifanakalo hevitra mahakasika ny fitsinjaran-tsakafo sy ny “agroécologie” izy ireo. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka Andrianarimalala Helisoa Mampionona no hisolontena ny Malagasy amin’izany. Ny resaka momba ny fandraharahana eo […]

Fandaharanasa PIR : hampiroboroboana ny varotra

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Fandaharanasa enti-mampandroso ny isam-paritra (PIR). Anisan’ny sehatra voakasik’izany ny fikarohana lalam-barotra iraisam-pirenena sy ny fampiasam-bola maharitra. Tafiditra ao anatin’ny PIR ny Fandaharanasa tantsoroka hampandrosoana ny fanondranana entana ho an’ny faritra (Padeir). An’arivony ny Malagasy mpamokatra misitraka azy, ahafahan’ny vokatra eto an-toerana afaka mifaninana. Eo koa […]

Ankazobe : nahazo tohodrano Ambolotarakely

Mitodika mankany amin’ ny fanatsarana ny fa­mo­karana ny kaominina Ambolotarakely, distrika Anka­zobe. Notokanana ny 2 oktobra teo ny tohodrano nohavao­zina, nataon’ny Fandara­na­­san’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Mahatondraka tanimbary 300 ha ity fotodrafitrasa ity, raha 30 ha teo aloha. Ni­laza ny filohan’ny mpampiasa rano, ao amin’ny tambajotra Tsara, Randrianantenaina […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitombo isa ireo fiarabe mpitatitra sy mpamatsy rano eto Antananarivo. Mbola misy ihany koa ireo andalam-panamboarana. Hojerena akaiky avokoa ireo toerana mila vonjy. Hatsaraina ny fifandraisana amin’ ny vahoaka eny ifotony hampahomby ny ezaka atao, manoloana ny olan’ny famatsiana rano. Vahaolana fohy ezaka ity atao ity saingy mangataka ny fitohizan’ny […]