Toe-karena

Famerana ny ravimbola ho 1 000Ar: Hampiakatra ny lanjan’ny vola malagasy

Betsaka ny tombontsoa ara-toekarena mahakasika ny tetikasan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanova ny rafitry ny vola eto Madaga­sikara. “Hampakatra ny lan­jan’ny Ariary sy hifehezana ny fivezivezen’ny vola ary hampakatra ny tahan’ny fampia­sana banky (taux de bancarisation) izany”, araka ny fanazavan’ny mpahay toekarena, Rakotoarisoa Tahina. Ana­tin’ny vanim-potoan’ny teknolojia ihany koa isika […]

Akamasoa Andralanitra : Napetraka ny fitaovana hitiliana ny kalitaon’ny rivotra

Napetraka ny fitaovana hamantarana ny kalitaon’ny rivotra, iarahana amin’ny Pnud eny amin’ny toby Akamasoa Andralanitra. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny World Trade Center (WTC). Miaina amin’ny fahalotoan’ny rivotra, isan’ andro, noho ny toeram-panatobiana fako ny eny An­dralanitra, ny toby Akama­soa. Manoloana izany, napetraka eny an-toerana ny […]

Miarakap Challenge Entreprises: Fifaninanana ho an’ireo orinasa mpandray anjara

Mikarakara fifaninanana antsoina hoe Miarakap Chal­len­ge Entreprises, natokana ho an’ireo orinasa mpandray anjara amin’ny Ultra trail des Ô Plateaux (Utop), andiany faha-17, izay atao ny 1 ka ha­tramin’ny 3 mey, ny Miarakap. Tanjona ny hanentanana ny orinasa hiara-mientana sy ha­nohana ny “trail” ho an’ity andiany ity. “Hisy, araka izany, ny […]

Andron’ny ala : Hifantoka amin’ny toekarena ny fankalazana

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ny zanakolombelona ny ala. Hita taratra izany amin’ny lafiny tontolo iainana, sosialy ary indrindra ny toekarena. « Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala » ny 21 marsa. Ho an’ity taona 2026 ity, mandritra ny herinandro ny fotoam-pankalazana. Ho maro ny hetsika hanamarihina azy, mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Ny […]