Voaantso teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny minisitry ny Rano sy ny fahadioavana ary ny fidiovana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, ary ny tale jeneralin’ny Jirama mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano. Voaresaka nandritra ny fivoriana vonjimaika ny tsy maintsy hitondrana vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny […]
Toe-karena
Afafi Afovoany : fampandrosoana ny eny ambanivohitra
Tohanan’ny Fandaharanasam-pirenena enti-manondro (PIN) sy ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Fandaharanasa Afafi Afovoany, ho fanoitra hampiroboroboana ny fambolena eny ambanivohitra. Misitraka ny fandaharanasa ny faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro. Miisa 5 455 ny tantsaha mpamboly legioma sy mpiompy akoho nahazo tantsoroka tamin’ny tetikasa Ambioka. Maherin’ny 6 […]
Fadintseranana – Nosy Be: Tafapetraka ny Birao ho fanaraha-maso
Am-perinasa tanteraka ny sampandraharahan’ny fadintseranana misahana ny fitiliana sy ny fanaraha-maso (Bureau de surveillance douanière) ao Nosy Be. Tonga tany an-toerana nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. […]
Harena anaty ala: azo volena ny hazo fandrehitra
Tafiditra ho anisan’ireo filan’ny mponina andavanandro ny fampiasana ny arina fandrehitra. Azo atao tsara ny mampihena ny fanimbana sy ny fanapahana ala amin’ny alalan’ny fambolena hazo fandrehitra (bois énergie) ilain’ny mponina eny ifotony amin’ny andavanandrom-piainany. Mavitrika mamboly izany ny fikambanana mpamboly hazo antsoina hoe “Soaravy” ao Mangily, kaominina Bemanonga, faritra […]
Seha-pihariana cacao: mampiroborobo ny fizahantany
Mampitombo isa ny mpizahatany ho avy eto amintsika sy mampidi-bola ho an’ny tantsaha ny fandaharanasa Circuit de Cacao de l’est de Madagascar. Manana traikefa sy mampiroborobo izany ny tetikasa Ala Cao ao amin’ny distrika Mananjary, faritra Vatovavy. Mamboly cacao sy mamerina ny ala amin’ny manodidina ireo tantsaha ka velaran-tany 500 […]