Miisa 280 ny zana-tsokatra tratran’ny zandary tany Nosy Be, ny alin’ny 7 marsa teo. Olona 5 no tratra tao amin’ny trano iray any Dzamandzar, ka anisany ny tompon-trano sy ny olona iray voatonona fa nitondra ireo sokatra ireo, izay voalaza fa nokasaina haondrana any ivelany. Tsiahivina fa lehilahy telo no […]
Toe-karena
« CDN3 »: Hamafisina ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Atao ny 11 sy 12 marsa izao ny atrikasa fakan-kevitra nasionaly hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, entina hamolavolana ny Fandraisana anjaran’ny rehetra eto Madagasikara andiany fahatelo (CDN3). Zava-dehibe ity atrikasa fakan-kevitra ity, satria mandray anjara ao daholo ny mpisehatra tsy ankanavaka, heverina fa manan-danja eto Madagasikara amin’ny lafiny fiatrehana ny fiovan’ny […]
Sandam-bola : Mahazo aina ny Ariary
Sambany tao anatin’ny 10 volana no nahazo aina ny vola malagasy. Omaly, tafidina 4 782,67 Ar ny Euro iray ary 4 146,04 Ar kosa ny dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Anisan’ny antony voalohany mampahazo izany ny fiverenan’ireo vola vahiny tamin’ny alalan’ireo fanondranam-bokatra toy ny letisia sy […]
Fifanakalozana ara-barotra : Hiara-miasa ny orinasa malagasy sy tonizianina
Vita sonia ny alatsinainy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Tunisie sy Madagasikara, tamin’ny alalan’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra Tonizia Madagasikara (CCTM), Ben Romdhane Mohamed Lhabib, sy ny Tale jeneralin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), Rafidy Josielle. Tanjona ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny roa tonta. Mifanindry […]
VAOVAO TAMBATRA
Midangana ny vidin’ny legioma eny an-tsena, amin’izao fotoana. Noho ny orana nisesisesy izay nitarika fahasimban’ny vokatra sy ny lalana no voalaza ho nahatonga izany. Mivarotra amin’ny fatiantoka ny tantsaha satria kely ny fahefan’ny mpanjifa. Vokany, tsy mandeha ny tsena, mihena ihany koa ny fidiram- bolan’ireo tantsaha sy mpamokatra. Miteraka fitohanana […]




