Tanterihana eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina nanomboka ny 14 ka hatramin’ny sabotsy ny « Rodorodon’ny tantsaha », andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena hampandrosoana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanjona ny hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka hanao tantsoroka ny tantsaha. « Miantraika mivantana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny krizy iraisam-pirenena », hoy ny minisitry ny […]
Toe-karena
Olan’ny delestazy lavareny : handatsaka orana artifisialy ny Jirama
Handatsaka orana artifisialy ny Jirama, hitondrana vahaolana fohy ezaka hamahana ny olan’ny delestazy. Vina maharitra kosa ny hananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro sy hanaovana tohodrano vaovao. «Handatsaka orana artifisialy manomboka rahampitso 17 aogositra ny Jirama hampiakarana ny haavon’ny rano amin’ny tohodrano mamatsy ny tobim-pamokarana herinaratra sy hanamaivana ny fahatapahan-jiro […]
Voka-bary taona 2030: tanjona ny hahazoana 11 257 000 t
Fanamby hapetraky ny fitondram-panjakana ny hahazo voka-bary 11 257 000 taonina ho an’ny taona 2030. Nametraka ny paikaky nasionaly ho an’ny fampandrosoana ny famokarana vary, andiany faha 3 (SNDR 3), ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Coalition for African Rice Development (Card) izay vatsian’ny Jica vola. Nisy […]
Vary manitra : mamokatra 250 t isan-taona ny kaoperativa iray
Manodidina ny 3 ka hatramin’ny 5 t/ha ny vary manitra miakatra ao Antsiranana II. Mahatratra hatrany amin’ny 250 taonina isan-taona kosa ny vokatra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny koaperativa Vary manitra Diego II. Manomboka mahasarika ny Malagasy ity karazam-bary ity raha toa ka ireo teratany vahiny sy ny trano fisakafoana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hihamafy ny delestazy, satria mihena hatrany ny herinaratra vokarin’ny Jirama. Antony, latsaka 2,2 metatra oharina amin’ny haavo azo ampiasaina ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka, ka kely ny tosiky ny rano. Haharitra adiny iray ny fanapahana manomboka amin’ny 1 ora-5 ora hariva, ary adiny 2 ora amin’ny 11 ora alina-4 ora […]