Mampahafantatra ny rehetra ny Jirama fa hatomboka eny Ankadindratombo sy ny manodidina ny fanoloana ireo kaoteran-drano efa antitra, mihoatra ny 15 taona. Tetikasa hanatsarana ny fisitrahana rano fisotro na PAEP, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Tanjona ny hanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Hitety ny isan-tokantrano hanao ny asany […]
Toe-karena
Toamasina : Miverina tsikelikely ny herinaratra
Mampahafantatra ny mpanjifa ny vondrona Filatex Energy fa efa miasa ny 30% ny famokarana herinaratra vokarin’ny Enelec Toamasina. Efa misy koa ny ampahany fampitana ny herin-jiro any amin’ny tambajotran’ny Jirama, ary mitohy tsikelikely izany. Mampiseho ny fandrosoan’ny asa ara-teknika, hiantohana ny famatsiana herinaratra any Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany […]
Fambolena : Mahatratra 5,17 tapitrisa isan-taona ny voka-bary
Atao eto Antananarivo, ny 9-12 marsa, ny fivoriamben’ny Vovonana hampiroboroboana ny fambolem-bary aty Afrika (Card). Miisa 32 ny firenena mpikambana ka anisany i Madagasikara. Miara-mivory amin’ity andiany faha-21 ity ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka amin’ ny sehatry ny vary. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo aty Afrika sy hampiroboroboana ny fambolem-bary. […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 98,44 dolara ny vidin’ny iray barila (1b= 159 l) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly alatsinainy 9 marsa. Tsiahivina fa mbola 68 dolara/b ny vidiny tamin’ny volana feboary 2026 teo. Nidangana tampoka izany raha vao nanomboka ny ady eo amin’i Iran sy Israelianina ampian’ny amerikanina, ny faran’ny volana febroary teo. […]
Toamasina: Nojerena ireo fotodrafitrasan’ny MEF mila fanarenana
Nijery ifotony ireo fotodrafitrasan’ny minisitera, rava vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny faran’ny herinandro teo. Potika tanteraka ireo fitaovana iasan’ny mpiasa, izay iankinan’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Manoloana ireo, nanolotra fitaovana maro ny minisitera foibe, toy ny solosaina miisa […]




