Fanamby apetrak’i Madagasikara ny hanafoanana ny fisian’ny entona karbona, entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Voakasik’izany koa ny ankizy. Nandray anjara tamin’ny fivoriana avo lenta mahakasika ny lohahevitra “net zéro carbone”, ao anatin’ny fivoriambe iraisam-pirenena ny Firenena mikambana andiany faha-79, any New York, ny minisitry ny Raharahambahiny, Rafaravavitafika Rasata, sy ny […]
Toe-karena
Fiovaovan’ny toetr’andro : natsangana ny fandaharanasa Global Shield against Climate Risks
Hitondra vahaolana ho fanampiana sy fanohanana ireo vondrom-piaraha-monina marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny Global Shield. Nisy ny atrikasa nandritra ny roa andro nametrahana ireo tanjona apetraka. Tapitra omaly, ny atrikasa fampahafantarana ny fandaharanasa «Global Shield against Climate Risks», fiaraha-miasa iraisam-pirenena ahitana ireo firenena mandroso mivondrona ao anatin’ny G7 sy […]
Andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany : omena lanja ny tanànan’Antsirabe
Tanterahina ny 26 sy 27 septambra, ao Antsirabe, ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany. « Tanàna milamina sy mahafinaritra ary manaraka ny fenitry ny fandriampahalemana Antsirabe, antony hanaovana ny hetsika any an-toerana » hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, omaly, teny Tsimbazaza. Ambohi-pihaonan’ny mpisehatra rehetra […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga eto Madagasikara ny iraka mpanara-mason’ny Banky iraisam-pirenena hijery akaiky ny fandrosoan’ny asa, ny fitantanana ny volan’ny tetikasa fanaovan-dalana eto amintsika. Miisa telo ny tetikasa lehibe vatsiany vola, ny fanaovan-dalana (PDDR, PCMCI ary ny Pact). Voakasik’ireo ny lalam-pirenena RN10, RN5, RN4, RN12A, sns. Miisa 23 795 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara […]
Fanodinana ronono : nivoatra ny kaoperativa Fimiviat
Misehatra amin’ny fiompiana ombivavy be ronono ny kaoperativa Fimiviat Aina, any Talata Volonondry, distrika Avaradrano. Nahazo ombivavy miisa 2 miampy masomboly hambolena vilona izy ireo, taorian’ny fangatahana tamin’ny Tahirimbola fampandrosoana ny famokarana (FDA) tamin’ny taona 2023. Tsy nitsahatra nivoatra sy nitombo ny fahalalan’ny mpikambana. Anisan’izany ny fiofanana fanodinam-bokatra avy amin’ny […]