Toe-karena

Taom-pamokarana 2026 : Fitaovana maro tsy hahavery ny voka-bary

Araka ny antontanisa ofisialy, very fotsiny ny 15% ny voka-bary eto amintsika. Antony, tsy ampy na tsy misy ny fitaovana sahaza ampiasaina amin’ny fijinjana sy ny fitahirizana ny vokatra. Nosanta­rina ny 23 avrily teo, ny taom-pamokarana 2026, tany amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Natolotry ny minisiteran’ny Fambolena […]

CNTEMAD: Azo arahina amin’ny finday ny fampianarana

Mirona tsikelikely amin’ny fampiasana ny niomerika ny CNTEMAD. Amin’ny maha «Université virtuelle» azy, manamora ny fampianarana ambony izy amin’ny fampiasana ny teknolojia toy ny finday mba hialana tsikelikely amin’ny fampiasana ny fitaovana teo aloha. «Mampiavaka ity rafitra vaovao ity ny fahafahan’ny rehetra misitraka fampianarana na aiza na aiza misy azy», […]

Fizahantany : Haseho etsy Antaninarerina i Menabe

Mbola ampahany ihany fa tsy Menabe manontolo. Ha­nao hetsika « Busness day » fampahafantarana ny tontolon’ny fizahantany amin’iny faritra iny ny eo anivon’ny Groupe Kimony amin’ny alalan’ireo « Centre ecoutouristique du Me­nabe ». Hanomboka anio, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ny zaridain’Anta­ninare­nina izany. Ahitana ireo tranoheva momba ny hotely fandraisam-bahiny, ny tontolon’ny fizahantany, ny sakafo sy […]

VAOVAO TAMBATRA

Nakatona vonjimaika ny tsena iray ao Anosibe noho ny tsy fanarahana ny fenitra sy ny fitsipika mifehy ny asa. Vary amidy tamin’ny mpivarotra maromaro koa no nakana santionany alefa ho tiliana, hanaporofoana raha misy tokoa ny vary nafangaro. Ankilany, nisava ny taratasim-barotra toy ny faktiora, nahafahana nanamarina raha ara-drariny ny […]