Toe-karena

Toekarena manga : Vonona hanolo-tanana antsika ny Japoney

Hizara traikefa mahakasika ny jono maharitra ho an’ireo Malagasy teknisianina indray ny japoney, entina hanampiana amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny masoivohon’ny firenena japoney miasa eto Madagasikara, i Hitoshi Tojima, sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, i Chan Kit […]

Bibliothèque et archive universitaire: Mirona amin’ny fampiasana ny niomerika

Mifampiankina ny fikarohana sy ny niomerika hanamorana ny fikirakirana antontan-kevitra. Ankehitriny, mampiasa ny teknolojia ny Bibliothèque et archive universitaire de l’Université d’Antananarivo hitehirizana ireo boky sy voka-pikarohana samihafa mba hisitrahan’ny mpianatra izany amin’ny fotoana rehetra. Mirona tanteraka amin’ny niomerika, ankehitriny, ny Bibliothèque et archive universitaire de l’Université d’Antananarivo” (BAU). Nisy […]

VAOVAO TAMBATRA

Heverina hiverina amin’ny laonina ny famatsiana solika ao Toliara manomboka androany. Kamiao lehibe roa mitondra solika avy any Toamasina no nalefa vonjimaika hamatsy ireo tobin-tsolika any an-toerana. Marihina fa nisy ny fikorontanan’ny famatsiana noho ny fahataran’ny sambo mitondra izany. Tombanana ho efa tonga ao amin’ny seranan-tsambo, omaly, ny sambo mpitatitra […]

Fianarantsoa : Mitaraina ny tantsaha mpamboly « orge »

Mampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny fambolena « orge », akora fototra hanamboarana labiera. Mitaraina, ankehitriny, ny mpamboly any Fianarantsoa. Nihena ny tinady, izany hoe, ny famandrihana ataon’ny mpandray ny vokatra, ka voatery nahena koa ny velaran-tany ambolena « orge ». Voafetra ho 850 ha sisa ny fitambaran’ny velaran-tany, raha 1 200 ha teo aloha. Nihena, […]