Toe-karena

Morafenokely Maevatanana : nohavaozina ny biraom-pokontany

Vita tanteraka, ny sabotsy teo, ny fanavaozana ny biraom-pokontany ao Morafenokely Maevatanana rehefa tsy nisy fanatsarana nandritra ny 40 taona nijoroany. Nandray an-tanana ny asa rehetra ny fi­kam­banana Zarasoa. Anke­hitriny, voaloko tanteraka ny birao, voasolo ny valintafo sy ny rakotany, nosoloina avokoa ireo varava­rana rehetra. Na­siana takelam-pamantarana ny biraom-pokontany raha […]

VAOVAO TAMBATRA

Eo anelanelan’ny 6%-9% ny fiakaran’ny vidim-piainana mandritra ity volana septambra ity, araka ny vinavinan’ny roa ampahatelon’ny banky eto Mada­ga­sikara. Vinavinain’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa ho 8% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainaa amin’ity taona ity, noho ny fiantraikan’ny vidin-tsolika, ny tahan’ ny fifanakalozana vola vahiny ary ny mety ho fiakaran’ ny […]

injenera vaovao 97: hitondra ny anjara birikiny

Miampy 97 indray ireo injenera navoaka’ny Sekoly am­bony momba ny hay famokarana sy ny Zava-boary (ESSA) eny anivon’ny Oniversiten’An­tananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo andiany « Andrarangy, Mahasedra ». Vondrona manam-pahaizana sy hitondra ny an­jara birikiny amin’ny fampandrosoana ny famokarana. Matoky, araka izany, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny […]