Toe-karena

Tantsambo ara-barotra: Asa misokatra ho an’ny rehetra

Manentana ny hidiran’ny vehivavy ho manamboninahitra tantsambo ara-barotra ny AOMMM, hampivoarana ny fahaiza-manaony sy hampifandanjana ny miralenta ao anatin’ny sehatra sy hanaporofoana fa asa misokatra ho an’ny rehetra ny asana tantsambo ara-barotra. “Asa misokatra ho an’ny rehetra ny tantsambo ara-barotra”, araka ny fanambarana nataon’ny fikambanan’ny manamboninahitra tantsambo ara-barotra eto Madagasikara […]

Sokajy zandriny : Hifantina mpilalao handrafitra ny Akio 

Hotanterahina ny 3 hatramin’ny 10 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny fifaninanana nasionaly, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny, cadet sy juniors, lehilahy sy vehivavy. Hanana ny lanjany io fifanintsanana nasionaly io, satria, mandritra izany no hanaovan’ireo teknisianina anivon’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH) ny fifantenana ny ekipam-pirenena Akio, sokajy […]

VAOVAO TAMBATRA

Nolavina ny fangatahan’ny sambo mpanjono, Albacan, handevina ireo lamatra simba milanja 60 taonina ao anatiny, any amin’ny faritra Diana. Misy fofona gazoala ny toeram-pitehirizina misy ireo trondro ireo. Voalaza fa nahasimba ireo vokatra ny fampiasana ny ranomasina nentina nanalana ny hatsiaka. Ho alefa, araka izany, ilay sambo. Raisina ihany koa […]

Dipoavatra mena an’i Bongolava: Nahazo “label” iraisam-pirenena

Miavaka sy tsara ary mahaliana ireo mpandraharaha samihafa ny dipoavatra mena avy ao amin’ny faritr’i Bongolava ka mahatonga ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Hain­gotiana, mandrisika ireo mpisehatra hampitombo ny fiaraha-mientany hampiroboroboana ny lalam-pihariana. Efa nahazo mari-pamantarana na “label” avy amin’ny Organi­sation mondiale de la propriété intellectuelle (OMPI) […]

Orinasa QMM : 100 tapitrisa dolara ho an’ny RSE

Fandraisana anjara amin’ny lafiny sosialy ny Andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ataon’ny orinasa QMM Taolagnaro, fa tsy fizarana vola. Tanjona ny hanatsara amin’ny fomba maharitra ny toe-piainan’ny mpiara-monina. Mitentina 100 tapitrisa dolara ny natokana, nanomboka ny taona 2023, ampiasaina mandritra ny 25 taona. Fandraisana anjara betsaka indrindra eto […]