Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Vina ny hampakatra ny harinkarena faobe avy amin’ny indostria ho 30% amin’ny taona 2040, raha toa ka mbola 15% monja izany ankehitriny. Iray amin’ ireo fitaovana lehibe hanatanterahana izany ny tetikasa fampandrosoana ny faritra, ny fanodinana ny vokatry ny fambolela any amin’ny faritra Atsimo andrefana (PTASO). Tombanana ho 120 000 […]

Kaominina Fotadrevo : Mamokatra grafita 17 000 t/taona ny NextSources

Nidina ifotony tany amin’ ny kaominina Fotadrevo, distrika Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ny alakamisy 16 avrily teo, ny minisitry ny Ha­rena an-kibon’ny tany, Andri­amparany Carl. Notsidihiny tamin’izany ny toeram-pitrandrahana misy ny tetikasa Molo. Fitrandrahana mamo­katra manjarano na grafita. Mamokatra 17 000 taonina, isan-taona, ny orinasa Next­Sources. Akora aondrana any ivelany, […]

Ladoany : Tafatsangana ny Sendi­kan’ny inspektera SIDM

Notanterahina ny zoma 17 avrily teo ny fivoriambe ara-potoana voalohany, an’ny Sendikan’ny inspekteran’ny Ladoany eto Madagasikara (SIDM). Fotoana nankatoavana ny sata mifehy sady nanitsiana ny andininy sasany ihany koa. Tafa­petraka ny mpikambana isam-baomiera ao anaty birao mpitantana, hanatanteraka ny vinan’ny sendika. Nambaran’ny filohan’ny SIDM, i Daramanana Andriamanalina Herizo Geroges, fa […]

Ho fanamafisana ny niomerika : Solosaina 100 ho an’ny Oniversiten’i Toliara

Tsy afa-misaraka ny fikarohana sy ny teknolojia niomerika. Manohana ny fahombiazan’ny mpianatra ny fanjakana, amin’ny alalan’ny fampitaovana ny Oniversite. Nisitraka fampitaovana avy amin’ny minisiteran’ ny Haitao ara-kajy mi­rindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny Oniversiten’i   Maninday-Toliara, nandritra ny fandalovan’ny minisitra Andriamam­piadana Mahefa tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha eto amintsika taorian’ireo filaharambe teny amin’ny tobin-tsolika, ny herinandro teo. Nanahy mafy ny fama­tsiana ireo mpampiasa fiara ka nisy ireo nampiasa ny tahiry teo am-pelatanany nentina nividianana solika. Nisy ihany koa ireo nanararaotra nanao varo-maizina ka nampakatra hatrany amin’ny 12 000Ar ny litatry ny lasantsy. […]