Toe-karena

DISTRIKAN’I BEALANANA: nahazo fampitaovana ny tantsaha

Natolotra ny 1 aogositra 2024 teo, ny fitaovam-pamokarana ho an’ny mpiompy, ny mpamboly, mitotaly 351 any amin’ny distrika Bealanana, faritra Sofia. Nisitraka izany ny fikambanana tantsaha miisa 14 any amin’ny kaominina miisa 8 (Bealanana, Antsa­maka, Ambatoriaha Atsina­nana, Ambatosia, Beandra­rez­ona, Mangidirano, Maro­taolana ary Ambararatabe Avaratra). Ho an’ny fiompiana, miisa 13 ny […]

Fihariana: maherin’ny 185 miliara Ar ny famatsiam-bola natao

Tanjon’ny fandaharanasa Fihariana, araka ny namoronan’ny filoha Rajoelina azy, ny hampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora. Ao anatin’izany ny hanamorana ny fahazoana famatsiam-bola, fiofanana ary fanohanana manokana. Manana paikady mazava ny fandaharanasa Fihariana, ahafahan’ny tanora sy ny vehivavy mpandraharaha mampandroso ny tetikasany. Hita any amin’ny distrika miisa 115, nanomboka ny taona 2019, […]

VAOVAO TAMBATRA

 Milanja 495 taonina ireo vokatra kafe naondran­tsika ny taona 2020 raha toa ka nahatratra 43 587 taonina izany ny taona 1999. Tsy nitsahatra mito­tongana ny famokarana. Manoloana ireo olana sedrain’ny mpamokatra sy ny lalam-pihariana. Nijery vahaolana maharitra hametrahana ireo paikady ho­entina hampiroboroboana ny seha-pihariana sy ny sehatra ara-barotra ny minisiteran’ny […]

Base Toliara : tsy manelingelina ny jono ny fiantsonan’ny sambo

Anisan’ny nanatrika ny fakana ny hevitry ny vahoaka, mahakasika ny Fanadiha­diana ny fiantraikan’ny tetikasa ara-tontolo iainana (EIE), natao ny taona 2013-2015 tany Toliara, i Emmerand Joseph, mpikambana ao amin’ny fikambanana Akio Viko. Noraisin’ny Base Toliara da­holo ny fanehoan-kevitra sy ny ahiahin’ny mponina. Efa nanome toky ny orinasa fa tsy hanakana […]

Faritra arovana an-dranomasina : hampitomboina 2,5 tapitrisa ha ny velarana

Hampitomboina 2,5 tapitrisa ha ny valan-javaboary an-dranomasina sy amorontsiraka harovana ho an’ny taona 2026 raha toa ka 1,5 tapitrisa ha. Voakasika ao anatin’izany ny faritra avaratra andrefan’i Madagasikara misy ireo nosy kely marobe. Ny avy eo Maintirano mipaka any Toliara ary ny eo Toliara hatrany Taolagnaro. Izy ireo izay ahitana […]