Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra manomboka ny 15 jolay ho avy izao, ny toeram-pandanjana fiara vaventy mitatitra entana, mam­piasa ny lalam-pirenena fahasivy, RN9. Eny Am­pondrolava, kaominina Belalanda ny toerana misy azy. Iharan’ny fana­raha-maso avokoa ny fiara mitondra entana mira na mihoatra ny 3,5 taonina. Hatao ny 11 sy 12 jolay ny andrana teknika eny […]

Mananjary: misy mangalatra ny vy ao amin’ny seranan-tsambo

Eo am-panavaozana ny fotodrafitrasan’ny orinasa IMI teo aloha ny Antokon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF) any amin’ny seranan-tsambon’i Mananjary. Misedra olana anefa, ankehitriny, satria misy mangalatra ny vy ao an-toerana. Mitaraina, noho izany, ny orinasa sy ny tomponandraikitry ny seranan-tsambo, ary ireo Ampanjaka any Mananjary, ny hijeren’ny fitondram-panjakana […]

Fiaraha-miasa amin’i Sina: Ahazoana 12 t/ha ny vary safiotra

Hamafisina ny fiaraha-miasan’i Madagasi­kara sy i Sina. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana mahakasika ny hanapariahana ny vary safiotra eto amin­tsika. Mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny toe-tany eto Madagasikara ny vary safiotra. Efa voaporofo ara-teknika sady nisy andrana natao, niarahana tamin’ny sinoa teknisianina. Anisan’ny misehatra amin’ ny famokarana azy ny vondrona […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 125 ny valan-javaboahary eto Madagasikara, misandrahaka amin’ny velaran-tany 9 tapitrisa ha. Anisan’ny fitaratra amin’ny fitantanana azy ireny ny fikambanana Gerp any Maromizaha, izay vao nanavao ny drafi-pitantanany. Nomena tombondahiny ny velon-tenan’ny mponina, nahatonga ny any an-toerana tsy nahitana doro ala intsony. Hohamafisina ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy […]

Ramakavelo Faly : «Azo tratrarina tsara ny mpizahatany 1 tapitrisa»

Tanjon’ny fanjakana ny hisarihana mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028, raha 350 000 ny taona 2023 teo. Nambaran-dRamakavelo Faly, mpahay toekarena sady mpandraharaha, fa « azo tratrarina tsara io tanjona io, satria mbola malalaka ny tsena ho antsika eto Mada­gasikara amin’ny fizahantany. Raha raisina ohatra ny atsy Maorisy, tsy misy afa-tsy […]