Lelavola mitentina 5 tapitrisa Ar no nomen’ny Yas Madagascar an-dRamamonjy Nomenjanahary, vehivavy mpitantana ny orinasa Mioty MJ, taorian’ny fifaninanana fandraharahana natokana ho an’ny vehivavy, ao anatin’ny fandaharanasa “Ampela Online”. Miisa dimy izy ireo no nahazo ny fankasitrahana, hoentina manohana ny tetikasany sy hampidi-bola bebe kokoa amin’ny fihariana ataony. Miompana amin’ny […]
Toe-karena
Saran’ny internet : Nitondra vahaolana fohy ezaka ny fitondram-panjakana
Nametraka vahaolana mahakasika ny hampihenana ny saran’ny internet eto Madagasikara ny fitondram-panjakana, taorian’ny dinika niarahan’ny minisitera sy ireo mpandraharaha mivondrona ao anatin’ny GTM. Tapaka taorian’ny fifampidinihana sy tolotra nentin’ireo mpiandraikitra ny tambazotra fa misanda 3 000Ar ny fisitrahana internet 1,1Go, 5 000Ar ny 2,5Go ary 10 000Ar ny 5,5Go. Tanjona ny hanome fahafahana […]
AFG Bank Madagasikara : Manana ny lanjany ara-toekarena
Mandalo eto Madagasikara i Sionlé Yeo, Tale jeneraly (DG) ny AFG Holding, miahy ny AFG Bank Madagasikara, ao anatin’ny vondrona orinasa afrikanina Atlantic Group. Notsoriny fa tanjon’izy ireo ny ho banky azo antoka sy fitaratra eto Madagasikara atsy ho atsy. Misehatra amin’ny fandraharahana ara-banky ny AFG Bank, ka maro ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 24 ny fanitsiana natao tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2026. Ao anatin’izany ny fanesorana sy/na fampihenana ireo karazana hetra sy haba alaina amin’ny PPN sy ny fitaovana ilaina amin’ny fambolena sy ny angovo. Atao laharam-pahamehana ny sehatra fototra sy ny sosialy. Hotanterahina tsy ho ela ihany koa ny […]
“Yas Cyber Security Day”: Ilaina ny fiarovana ny antontan-kevitra
Natao teny amin’ny Radisson Blue Hôtel, Ambodivona, ny talata teo, ny “Yas Cyber Security Day”. “Hetsika natokana ho fiarovana ny rafitra niomerika sy ny antontan-kevitry ny mpanjifa na orinasa iray”, hoy ny tale jeneralin’ny Yas Madagascar, Benoît Janin, nandritra ny fanokafana. “Tanjona, araka izany, ny hifampizarana ireo fitaovana ahafahan’ny rehetra […]




