Toe-karena

Fampiroboroboana ny niomerika: Hanome sehatra ny vehivavy ny Maison digitale 

Mbola sakana lehibe ho an’ny vehivavy maro ao Toliara ny fidirana amin’ny sehatra niomerika, indrindra fa eny amin’ny fokontany tena sahirana. Antony nahatonga ny Orange solidarité Madagascar, tohanan’ny Fon­dation Orange, nanao ny fandaharanasa « Maisons digitales pour les femmes » any an-toerana izany, hanohanana ny se­hatrasa sy ny fidiram-bolan’ny mponina. Tanjona ny […]

Fampandrosoana : Mahasarika tanora ny fambolena sy fiompiana

Mbola mahaliana ny ankamaroan’ny tanora eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 30 taona ny sehatrasa momba ny fambolena sy fiompiana, raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Office national de l’emploi et de la formation (Onef). Nivoitra tao anatin’ izany fa nisafidy ny seha-pihariana voalohany avokoa ny 17,9% amin’ireo tanora 307 nanontaniana. […]

VAOVAO TAMBATRA

Faharoa maneran-tany mamokatra grafita voajanahary i Madagasikara, aorian’i Chine. Manara­ka antsika eo i Mozambika sy i Brezila. Hita tao anaty angon-kevitra USGS 2024 ireo antontanisa iraisam-pirenena ireo. Mahazo tombony amin’ny fitomboan’ny lanjan’izany eo amin’ity tsena iraisam-pirenena ity i Madagasikara, amin’ny maha tafiditra antsika ao anatin’ny lisitry ny mpisehatra fototra amin’ny […]

Mahatanty haintany: Ahazoana 700 kg/ha ny karazana apemba vaovao

Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ny ka­razana apemba roa vaovao, Mina sy Manana. Valim-pikarohana vitan’ny Foibem-pikarohana momba ny fambolena (Fofifa). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony (Mesupres), sy ny ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ity foibe ity. Eo koa ny foibem-pikarohana maneran-tany momba ny apem­ba, na Global Collabora­tion […]