Nanomboka omaly ka hatramin’ny 9 mey izao ny hetsika “Arabian Travel Market (ATM)”, izay atao any Dubai World Trade Centre. Anisan’ ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny 0fisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB). Hampahafantatra ny hakanton’ny Nosy malagasy sy ny mampiavaka ny firenena izy ireo. Marihina fa […]
Toe-karena
BFM: hampahafantatra ny vola malagasy
Maro karazany ireo hetsika nanamarihana ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Ankehitriny, miditra amin’ny dingana farany izy ireo, raha nanomboka ny 12 jona 2023 teo ny fankalazana. Manomboka androany ka hatramin’ny 18 mey ny varavarana misokatry ny BFM ho an’ny daholobe izay atao amina toerana telo eto an-drenivohitra, eny […]
Famokarana zezika ranony: miainga amin’ny akora fampiasa andavanandro
Antoka ho an’ny fampitomboana ny voly sy manome otrikaina ho an’ny zavamaniry ny zezika ranony. Miaro amin’ny bibikely samihafa izy, « bio », no tsy atahorana hiantraika amin’ny fambolena. Mivoatra hatrany ny tontolon’ny famokarana zezika eto amintsika, toy ilay zezika ranony izay sady mampitombo sy manome otrikaina no miady amin’ny bibikely samihafa […]
Jirama: nidina ifotony ny tale jeneraly vaovao
Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany, ny tale jeneraly (DG) vaovao ny orinasa Jirama, Ron Weiss, ny sabotsy 4 mey teo. Niaraka taminy ihany koa ny tale jeneraly lefitra roa lahy sy ireo tale isan-tsokajiny misahana ny herinaratra. Nihaona tamin’ny mpiara-miasa eny ifotony sady nijery ny fotodrafitrasan’ny Jirama. […]
Fiaraha-miasa: dingana vaovao iarahana amin’ny FMI
Vita ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) teto Madagasikara, nandritra ny herinandro maromaro. Nisy ny tatitra natao mahakasika izany, niarahana tamin’ny mpikambana sasany ao amin’ ny governemanta, notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Hasimbelo sy ny FMI, ny zoma 3 mey teo. Nifantoka tamin’ny Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) sy […]