Vaovao mahafaly. Nofoanan’i Etazonia ny haba 15% alaina amin’ny lavanila malagasy miditra eo amin’ny tsena amerikana. Anisan’ireo vokatra malagasy maro tsy hampiharan’Etazonia ny haban-tseranana ity vokatra ity, araka ny didim-panjakana manokana (Executive Order) nosoniavin’ny filoha Donald Trump, ny zoma 14 novambra teo. “Hisitraka ity fanafoanan-ketra ity koa ny kakao, kafe, […]
Toe-karena
Taom-piotazana letisia : Mbola tsy fantatra ny fatra aondran’i Madagasikara
Nisokatra tamin’ny sabotsy ny taom-piotazana letisia 2025. Efa vonona avokoa ireo mpandraharaha rehetra hiara-hiasa amin’ny fanjakana amin’ny fanondranam-bokatra. Na izany, tsy mbola fantatra ny fatra aondrantsika any ivelany noho ny toe-java-misy eto amin’ny firenena. Ankilany, nanomboka ny zoma 14 novambra ary hikatona rahampitso ny « guichet unique » ho fikirakirana ny antotan-taratasy […]
Tahirim-bolam-pirenena : Ampy hanafaran’entana mandritra ny enim-bolana
Mitentina 3 194,3 tapitrisa dolara ny tahirim-bola ananantsika tamin’ny faran’ny volana septambra, araka ny tatitra navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena ataony isaky ny telo volana. Mahavita mandrakotra ny fanafarana entana mandritra ny enim-bolana mahery (6,2), izany hoe, hatramin’ny volana marsa 2026 ity devizy ity, raha oharina ny […]
Harena an-kibon’ny tany: Antoky ny fanarenana ara-toekarena ireo tetikasa vaventy
Miantoka ny 30% ny fanondranana entana any ivelany ny fitrandrahana vaventy. Manome ny 5% ny Harinkarena faobe (PIB). Nanome toky ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, raha nihaona tamin’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), ny 11 novambra teo, fa hametraka tontolo madio amin’ny fandraharahana eto amintsika, manodidina […]
Fandraharahana : Hatsangana ny politika momba ny indostria
Tafiditra ao anatin’ny fanavaozan-drafitra apetraky ny fanjakana ny Politika hampandrosoana ny orinasa, fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Hojerena manokana ny fomba hanampiana ny Malagasy mpandraharaha. «Hamolavola politika ho fampiroboroboana ny orinasa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hapetraka ihany koa ny Tahirim-pirenena entina […]




