Toe-karena

Lalam-pirenena fahafito: Mandeha ny fanarenana ny faritra tena ratsy

Anisan’ny lalam-pirenena harenina ihany koa ny RN7, miaraka amin’ny RN2, ny RN4, ny RN6, sns. Manara-penitra sady tsy maintsy hajaina ny fe-potoana hanaovana ny asa. Miisa efatra ny ampahan-dalana anisan’ny harenina any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Amin’izao fotoana, asa atao ny fanadiovana ny manodidina ny lalana (cantonage) sy ny anaty […]

Tsenan’ny solika : Tafidina 64 dolara ny vidin’ny barila

Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny mahatonga izany ny hamaroan’ny vokatra eo amin’ny tsena, nefa kely ny tinady na ny mpanjifa. Tafidina amin’ny vidiny ambany indrindra ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, nanomboka ny volana mey 2025. Omaly, tafidina 64,90 dolara ny salam-bidin’ny iray barila (=159 litatra) […]

VAOVAO TAMBATRA

Mampandre ny vahiny mitsidika eto Mada­gasikara ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), fa misy ny laharana finday azo antsoina, hanomezana torolalana azy ireo, manoloana ny toe-draharaha eto amintsika. Ireto avy izany: 034 02 661 13, 038 48 568 65, 038 60 024 36 ary ny 038 51 599 51. Azo atao koa […]

Fanavaozana ny lalam-paritra : Mandroso ny asa any Fenoarivo Atsinanana sy Vohilengo

«Mandeha ny asa!» Araka ny vaovao navoakan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, (MTP), omaly, mandroso tsikelikely ny asa fikojakojana amin’ny lalam-paritra RP13A (RR ALJ-01), izay mampitohy an’i Fenoarivo Atsinanana (pk 0+000) sy Vohilengo (pk 23+000). Ny orinasa Pro Béton no tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany. Amin’izao fotoana, ny “reprofilage”, izany hoe […]

RN6 : Harenina ny tetezana Mahavavy

Mandroso araka ny tokony ho izy ny asa fanarenana ny tetezana Mahavavy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, eo amin’ny PK 568+720. Anisan’ny asa lehibe atao ny fametrahana tetezamby (pont modulaire), hamahana ny olan’ny fifamoivoizana sy ny fivezivezena any an-toerana. Efa vita ny andry (pile), hitaty ny tampon’ny tetezamby. Napetraka ny alatsinainy […]