Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Haharitra hatramin’ny 16 janoary ny dinika iarahan’ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé sy ny solontena maharitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), Eklou Kodjovi. Hifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny roa tonta ny resaka. Ao anatin’izany ny fanombanana ny fampidiram-bola, ny fampiasam-bola ary ny toe-draharaha ara-toekarena. Horesahina […]

Fanondranana drakaka: Orinasa malagasy roa nisantatra ny andiany I

Natomboka ny 12 janoary teo ny fanondranana drakaka velona andiany voalohany ho fanokafana ny fotoam-pitrandrahana. Voafantina sy nisantatra izany ny orinasa malagasy miisa roa. Nilaza ireo mpandraharaha fa “nihamora sy mala­laka ny fikarakarana ireo antontan-taratasy takina amin’ny fanondranana raha toa ka nananosarotra izany nandritra ny taona maro”. Araka izany, manantena […]

Fanondranana entana : Hisitraka ny Agoa mandritra ny telo taona i Madagasikara

Hitohy hatramin’ny taona 2028 ny fisitrahan’i Madagasikara ny Agoa, taorian’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina. Lany tamin’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina tsy nasiam-panitsiana ny hisitrahan’i Madagasikara ny “Afri­can Growth and Opportunity Act” (Agoa) mandritra ny telo taona indray. Izany hoe, fifanarahana ara-barotra manome fahafahana tsy misy haba ny fanondranana vokatra avy […]

Ny vokatra malagasy : Tokony hanaraka ny fenitra takina

Manana vokatra marolafy azo trandrahina i Madagasi­ka­ra entina hampandrosoana ny toekarena sy hampivelarana ny fifanakalozana amin’ny va­rotra. Na izany aza, mila ma­naraka fenitra takin’ireo Nosy rahavavy ny vokatra raha ham­piditra izany amin’ny tsena ao amin’ny ranomasimbe Indiani­na. “Ma­nampy hifehezana ny tsena ny kalitaon’ny zavatra vokarina”, hoy ny mpamokatra iray. Ilaina […]

RN5, Toamasina-Foulpointe: Mitohy ny fanamboarana

Tafiditra amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) izay mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe, ny fitondram-panjakana amin’izao. Lalana stratejika ho an’ny fivezivezena samihafa, indrindra nandritra fotoam-piotazana letisia, io lalam-pirenena io. Anatin’ny asa tanteraka amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra na teo aza ny fahatarana noho ny antony maro, toy ny rotsakorana nifanesy. Nana­nosarotra […]