Nivondrona tamina toerana iray nandritra ny efatr’andro ireo mpisehatra eo amin’ny fitaterana eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny fitaterana (STLM). Nisongadina manokana ny orinasa malagasy mpanamboatra « drone ». Tratra ny tanjona! Nifarana ny alahady teo ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny fitaterana, ny fampitaovana ary ny fikirakirana (STLM) andiany fahatelo […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Mpanjono miisa 180 mivondrona anaty fikambanana 8, nahazo karatra maha mpanarato any amin’ny kaominina Mahela, distrika Mananjary, faritra Vatovavy, ny herinandro lasa teo. Nosokafana tamin’io fotoana io koa ny fanjonoana oratsimba (langouste) sady nanentanana ny hanafoanana ny fampiasana ny haratobe. Mandroso ny asa fanorenana ny tohodrano any Ilakakabe, faritra Ihorombe. […]
Mahajanga: andro hanafoanana ny fako
Nankalazaina ny sabotsy 16 avrily teo, tany Mahajanga, ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fako. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, niaraka tamin’ny olo-manankaja maro avy ao amin’ny faritra Boeny. Lohahevitra noraisina ny hoe « Andraikitry ny tsirairay ny fitantanana ny fakony ». […]
Benetse Toliara II: melohin’ny mponina ny fanoheran’ny olona misy mamatsy vola
Nisy antso fanangonam-bola nataon’ny vondron’olona nivoaka tany amin’ny gazety any ivelany, vao tsy ela. Manangom-bola entina hanoherana ny tetikasa goavana tokony hitondra fampandrosoana sady manakorontana ny filaminam-bahoaka any atsimon’ny Nosy izy ireo. Nivoaka ny fahanginany ny mponina any Benetse, kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II. Novakiany bantsilana ny fihetsik’ireo manohitra ny […]
Lalana RN6: mila fanamboarana koa ny tetezana madinika
Misy fahasimbana ihany koa ny tetezana madinika any amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6), vokatry ny rivodoza Gamane farany teo. Nijery ny fahavoazana amin’ny tetezana Manambery, ny sabotsy 13 avrily teo, ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja. Hita fa nahetsiky ny ranobe nentin’ny rivodoza […]