Nitsidika ireo mpivarotra taozavatra malagasy, eny amin’ny vahilava Ambohitrimanjaka, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, ny volana febroary teo. Nitafa mivantana tamin’ireo mpanao asa tanana, sady nijery ny fomba entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity. Anisan’ny tena nampitaraina azy ireo ny fahazoana akora fototra tsara kalitao. Eo koa ny […]
Toe-karena
Airtel Madagasikara: Tambajotra avy amin’ny zanabolana
Nampahafantarina omaly, ny tolotra vaovaon’ny Airtel Madagasikara, ny tambajotram-pifandraisana amin’ny alalan’ny zanabolana, nomena ny anarana hoe « Airtel Satellite ». Nilaza ny tale ara-barotra Airtel Madagasikara, Randriamanana Santatriniaina, fa misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpamatsy tolotra avy amin’ny zanabolana. Ahazoan’ny mpanjifa tambajotra tena matanjaka izany hatrany amin’ny toerana tena lavitra, marin-toerana sady tsy […]
Harena an-kibon’ny tany : tafidina 17 800 dolara ny vidin’ny nikela
Tsy mitsahatra mitontongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ny roa taona. Araka ny tarehimariky ny Tsena iraisam-pirenena ho an’ny harena an-kibon’ny tany any Londres (LME), efa nahatratra 32 000 dolara ny taonina ny faran’ny taona 2022, taorian’ny tranga Covid-19. Nidina tsikelikely izany, 26 000 dolara ny janoary […]
Airport council international: seranam-piaramanidina mendrika ny eto Antananarivo
Manana ny kalitao tsara omena ny mpandeha ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo. Porofon’izany ny nahazoany fankasitrahana iraisam-pirenena nomen’ny Airport Council International World. Azon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo ny loka «seranam-piaramanidina mendrika indrindra ho an’ireo mandray mpandeha latsaky ny 2 tapitrisa» ho an’ny taona 2023, natolotry ny Airport Council International (ACI) World. Mitantana […]
FEPA andiany faha-16: Ainga vao ho an’ny fiompiana eto amintsika
Hotanterahina ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnel de l’élévage (MPE) Nanisana ny Tsenaben’ ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA), andiany faha-16. Ho hita eny an-toerana, mandritra ireo efatr’andro ireo, ny vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. Hisongadina manokana ireo toeram-pivarotana […]




