Tsy mitsahatra mihen-danja hatrany ny sandam-bola ariary raha oharina amin’ny dolara. Azo lazaina fa marin-toerana kosa ny ariary miohatra amin’ny euro. Misonga miakatra! Miha miakatra ny lanjan’ny dolara raha oharina amin’ny Ariary, tato anatin’ny iray volana farany. Nisanda 4 516 Ar ny 1 dolara omaly 22 oktobra 2025, teo amin’ny […]
Toe-karena
Kaominina Antetezambaro : Notolorana zana-trondro tilapia 8 000 isa
Notoloran’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsinanana zana-trondro Tilapia miisa 8 000 isa ny tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Antetezambaro, distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana, ny 20 oktobra 2025 lasa teo. Narotsaka tao amin’ny Lakandranon’i Pangalana Avaratra ny 6 000 isa, raha toa ka tany amin’ny farihin’ Ifontsy […]
Parabole Madagascar : Hikatona vonjimaika fa tsy ho foana
Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Orinasa Parabole Madagascar, omaly, fa hikatona vonjimaika izy ireo ny 31 oktobra ho avy izao. Tsy midika ho fanafoanana ny orinasa izany fa fandinihana ny lafiny arakasa mifanaraka amin’ny teknolojia misy ankehitriny. Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny, facebook, ny orinasa Parabole Madagascar, omaly. Nilaza izy […]
Fadintseranana Malagasy: Misy ny tanjona ara-tontolo iainana
Miditra an-tsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fadintseranana malagasy. Voarakitra ao amin’ny Tanjona stratejika faha-8, ao anatin’ny Drafitra stratejika vaovao ho an’ny 5 taona manaraka (2025-2029) izany. Voafaritra ao ny fanamafisana ny fanaraha-maso amin’ny fanondranana antsokosoko ireo zavamananaina arovana sy ny vokatra manimba ny tontolo iainana. Eo koa ny […]
Volan’ny Adema : Vonona amin’ny fifampidinihana ny Ravinala Airports
Manana mpikambana ao anatin’ny Filankevi-pitantanan’ny Ravinala Airports ny orinasa Adema. Mahafantatra ny zava-misy sy ny fomba fandoavana ny vola rehetra. Namaly ny fanambaran’ny mpiasan’ny orinasam-panjakana Adema, ny Ravinala Airports, mahakasika ny volany 16 tapitrisa euros na 80 miliara Ar. Nohazavainy fa azon’ny Ravinala Airports tsara ny zavatra manahirana ny mpiasan’ny […]




