Ataon’ny mponina fanariam-pako samihafa ny lakandrano C3. Anisan’izany ny akora simika sy mekanika, izay tena ahitana firaka ka miantraika amin’ny fahasalamana. Nisy fanadihadiana ara-tsimika sy fizika natao ny fotaka tamin’ny lakandrano C3, ny taona 2017, nialoha ny fanatanterahana ny Tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe ho an’Antananarivo (Produir). Anisan’izany ny singa metaly […]
Toe-karena
Jirama : mpiasa roa naiditra am-ponja
Tra-tehaka nanao fampidiran-jiro tsy ara-dalàna ny mpiasa miisa 6 ao amin’ny Jirama. Miasa eny amin’ny masoivoho Tanjombato ny efatra amin’izy ireo, ary mpiasa an-tselika, tsy manana fifanarahana arakasa ny roa. Nahatrarana azy ireo ny fitarainana voarain’ny orinasa. Nilaza ny mpanjifa fa nitakian’izy ireo volabe, hampidirana ny jirony, na efa voaloa […]
Fampiasana ny teknolojia : nandray anjara tamin’ny “Gitex Afrika 2024” isika
Nifarana ny zoma teo ny hetsika “Gitex Africa”, andiany faharoa, izay natao tany Maroc, naharitra telo andro. Nisolo tena ny firenena malagasy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa ary ny solontenam-panjakana. Voaresaka nandritra ny fihaonambe ny fikarohana ireo fahaiza-manao ara-teknolojia amin’ny sehatry ny fampandrosoana […]
Fihariana : ambany ny taham-pamokarana ronono eto Madagasikara
Manodidina ny 7 litatra isan’olona, isan-taona, ny taham-pisotroan’ny Malagasy ronono raha toa fa tafakatra avo sivy heny izany any ivelany. Mbola ambany ihany koa ny famokarana izany eto amintsika Anisan’ireo firenana 49 mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny ronono i Madagasikara. Nisy ny hetsika nanamarihana izany, ny sabotsy teo, […]
Andron’ny Karazan-javamananaina: nankasitrahana ireo mpiantsehatra
Nankalazaina omaly, tao amin’ny saha Imaitsoanala, any Mandraka, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (JIB). Nitarika ny fotoana, tamin’izany, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Antoine Andonirina, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana rehetra. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « Miasa miaraka ho an’ny […]