Niova mpitondra ny firenena izao. Nanome toky ny filoham-panjakana Randrianirina Michael, fa tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny seha-pihariana satria betsaka ny fatiantoka nateraky ny krizy nandritra izay telo herinandro izay. Ankoatra ny fihariana mahazatra eto an-toerana, antoky ny toekarem-pirenena sy ny eny ifotony, ny sehatry ny fizahantany. Mampidi-bola vahiny […]
Toe-karena
Voankazo: Mbola lafo ny vidin’ny manga
Lafo ny vidin’ny voankazo, Manga, amin’izao fotoana izao, indrindra eny amin’ny tsena lehibe toy ny eny Antsahabe. Raha ny fanadihadiana natao, 4000 Ariary ny kilao, ary 500 Ariary eo ho eo ny vidin’ny iray amin’ireo kely amidy tsirairay eny an-tsena. Araka ny fanazavan’ny mpivarotra sasany, tsy mbola fotoanan’ny Manga amin’izao […]
Fifanarahana UE sy Madagasikara : Trondro Lamatra 14 000 taonina no azo jonoin’ny eoropeanina
Nohavaozina, tamin’ny novambra 2023, ny fifanarahana mahakasika ny jono eo amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy i Madagasikara. Voakasik’izany ny fanjonoana lamatra (thon) aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Nisy ny fanavaozana ny fifanarahana, vita sonia ny 30 jona 2023, ary haharitra 4 taona (2023-2026). Voafetra ho 65 fara-fahabetsany ny sambo eropeanina, afaka […]
VAOVAO TAMBATRA
Anisan’ny nasongadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, ny fanarenana ny toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fandraharahana, hisarihana ny mpandraharaha avy any ivelany sy ny fampiasam-bola vahiny (IDE). Nomarihiny fa ilaina ny mametraka tontolo ara-pandraharahana azo antoka eto amin’ny firenena, ka izay no hiaraha-miasa amin’ireo vondrona iraisam-pirenena. Nivoitra tao anatin’ny lahatenin’ny filoham-panjakana […]
Avaradrano: Tantsoroka ho an’ny mpiompy trondro
Nidina ifotony teny amin’ ny kaominina Fieferena, distrika Avaradrano, ny Fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Analamanga, ny 15 oktobra teo. Nomena tantsoroka, tohana ara-teknika momba ny fampanatodizana karpa ny mpiompy trondro miisa enina eny an-toerana. Nisy ny fijerena ireo trondro efa vonona hampiasaina amin’ny fampanatodizana, izay mbola […]




