Notanterahina tao Manakarabe, ny 29 aogositra 2025 lasa teo, ny hetsika fanombohana ny asa fanarenana sy fanatsarana ary fanitarana ny fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Manakara. Nitarika izany ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Andrianamelasoa Lalaina, niaraka tamin’ireo manampahefana isan-tokony sy solontenam-bahoaka. […]
Toe-karena
Fokontany Taranta-Boeny : Nizarana fampitaovana ny mpanjono
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fizarana fitaovam-panjonoana ho an’ireo mpanjono ao amin’ny fokontany Taranta, kaominina Soalala, faritra Boeny. Hetsika izay notarihin’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Paubert, tany an-toerana. Tanjona amin’izany ny hanatsarana ny velontenan’ireo mpanjono sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny […]
Fifanakalozana ara-barotra : Mametraka fototra i Madagasikara sy Kolombia
Nifanakalo hevitra sy traikefa ny kolombianina sy ny Malagasy nandritra ny « Business Forum Colombia–Madagasikara », natao omaly, fotoana nitsidihan’ny filoha lefitra kolombianina, Francia Elena Márquez Mina. Tanjona ny hametrahana fototra maharitra ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Hetsika nokarakarain’ny EDBM tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra […]
Fiompiana trondro: Nahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana
Nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Tsimanaoraty Paubert, afakomaly, tany Mahajanga, fa efa mahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana amin’ny resaka fiompiana trondro eto Madagasikara. Araka ny fanazavany, efa mpiompy trondro avokoa ny antsasa-manila amin’ireo nahavita izany. Raha ho an’ny faritr’i Mahajanga manokana, manodidina ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely, ny Foara ho amin’ny fizakan-tena ara-toekarena na ny Tsenaben’ny Fokontany Betsizaraina. Maro ireo olo-manan-kaja tonga teny an-toerana. Hifarana ny alahady ho avy izao moa ity Foara be etsy Betsizaraina ity. Hotanterahina ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao ny Marathon […]




