Toe-karena

Fanatsarana ny famatsian-drano: Nanampy bonbonne 25 ny Jirama

Araka ny vaovao naparitaky ny orinasa malagasy Jirama, omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Nisy ny fampitaovana isan-karazany nataony mba hisitrahan’ny Ma­lagasy rano fisotro madio. Anisan’ny tena nisongadina tamin’izany ny fanampiana bonbonne miisa 25, izay hanatevina ny 236 efa niasa hatramin’izay. Ho fampiharana izany avy hatrany, ny faritra avo sy ivelan’ny […]

Seranan’Ivato: Vita ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana

Afaka miasa ankehitriny ny toerana fiantsonan’ny fiaramanidina, Tarmac 1. Nandaniana 32,5 miliara Ar ny asa, ho fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Dingana vaovao indray no vitan’ny orinasa Ra­vi­nala Airports amin’ ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Raha ny antontanisa, nandritra ny fo­to­am-piasana 2025, manodidina ny 60 isan’andro ny fivezivezen’ny fiaramanidina teo […]

Fitrandrahana tsy ara-dalàna : Manao fanairana ny Tafo Mihaavo

“Fanairana!” Nanao fa­nam­barana tetsy Anosy, ny Tafo Mihaavo mahakasika ny fi­trandrahana tsy ara-dalàna manerana an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Araka ny filazan’izy ireo, mampidi-doza ny tontolo iainana sy ny fiainan’ny mponina eny ifotony io zava-misy io. Raha ny filazan’izy ireo, mbola mitohy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any amin’ny faritra […]

VAOVAO TAMBATRA

Nifarana omaly ny fikaonandoha nasionaly nametrahana ny hoavin’ny jono eto Madagasikara, iarahana amin’ny fifanarahan’ny Vondrona maneran-tany momba ny varotra (OMC). Naharitra roa andro ny hetsika nifarimbonan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Notontosaina tao amin’ny Kaominina Sainte Marie, distrikan’i Sainte Marie, […]