Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Nanisana ireo mpianatra ho mpianala miisa 30 mianadahy. Hanaraka fiofanana mandritra ny 18 volana izy ireo eny amin’ny Ivontoerana fanofanana teknisian’ny ala CNPTF Angavokely. Efa misy andiany 30 hafa manaraka fiofanana, ka mahatratra 60, araka izany, ny andiany fahatelo ho an’ny taom-piofanana 2024-2025. Nilaza […]
Toe-karena
Indostria : hihodina tsy ho ela ny Sucrerie de Mahatalaky
Hitombo ny famokarana siramamy eto amintsika amin’ny alalan’ny indostria Sucrerie de Mahatalaky . Andalam-pamaranana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa ny fitondram-panajakana. Vita hatramin’ny 80% ny fanitarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny « sucrerie de Mahatalaky, miala 43 km an’i Taolagnaro. Indostria hanodina ny fary ho lasa siramamy, natsangana nanomboka ny taona 2021. Andalam-panatsarana […]
Fifanakalozana ara-barotra: fifanarahana eo amin’ny UE sy Madagasikara
Manondrana vokatra betsaka mihazo ny Vondrona eoropeanina (UE) i Madagasikara raha oharina amin’ny fanafarana. Nampahafantatra izany ireo tomponandraikitra samihafa nandritra ny herinandron’i Europa teo. Novakina bantsilana ny momba ny fifaranarahana ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Nampahafantarin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana nandritra izany […]
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo karatany ny any Alaotra Mangoro
Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany faobe sy titra ho an’ny any Alaotra Mangoro, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny nisitraka izao hetsika izao ny tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Teo ny fizarana karatany miisa 1 164 ho […]
BFM : Vakoka mitahiry ny vola malagasy
Nifarana ny zoma teo ny fampirantiana maimaimpoana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho fampahafantarana ny tantaran’ny vola malagasy. Hetsika izay tafiditra amin’ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ ny BFM tetsy Analakely. Ny taona 1896 ka hatramin’ny 1925, ny vola Eoropeanina sy Amerikanina no nampiasaina teto Madagasikara. Nofaritana tamin’ny taona […]