Efa azo ampiasain’ny besinimaro, nanomboka omaly 11 aogositra, ny ampahan-dalana mirefy 4 km, manomboka eo amin’ny fihodinana (rond point) Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mampifandray mivantana ny lalam-pirenena faha-4 sy ny arabe Lalan’ny Frankofonia Ambohitrimanjaka mitohy eny Andohatapenaka ity lalana vaovao ity. Malalaka ny arabe, mirefy 12 metatra […]
Toe-karena
Fizahantany : Miara-miasa i Maorisy sy i Madagasikara
Noraisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, omaly, teny amin’ny toeram-piasany, ny ambasadaoro vaovaon’i Maorisy, Bruno Cunniah, miasa eto amintsika. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany iombonana ny fihaonana, voafaritra ao anatin’ny faritra ranomasimbe Indianina, ny « iles Vanilles ». Manampy izany, ny […]
Famatsian-drano Antananarivo: Mitotaly 64 000 metatra ny fantsona efa antitra hosoloina
Manohana ny fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo, ny Banky iraisam-pirenena. Ho soloina ny fantsona efa antitra, hamafisina ny tosiky ny rano, hampitomboina ny lavadrano, hitarina ny famokarana, sns. Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny rano satria tsy nisy fanavaozana tao anatin’ny 50 taona. Mitombo ny isan’ny mponina sy ny mpampiasa rano. Tsy […]
Firenena anaty Sadc: Mitentina 721 miliara dolara ny harinkarena faobe
Manan-danja ny fisian’ ny Vondrona Sadc, ahitana firenena miisa 16. Natsangana ny tsenam-paritra malalaka hivezivezen’ny entana isaky ny firenena mpikambana. Natsangana ny taona 1980 ny Vondrona fampandrosoana ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc), manana ny foibeny any Gaborone, renivohitr’i Botswana. Ankehitriny, miisa 16 ny mpikambana, ahitana an’i Afrika Atsimo, Angola, Botswana, […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny 14 aogositra ho avy izao ny famelabelaran-kevitra, eny amin’ny efitrano Grand Amphi Fac EGS Ankatso. Mahakasika ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena amin’ ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc ny lohahevitra. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika mandrafitra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc atao eto […]




