Nisy afo nirehitra tao anatin’ny Faritra Arovana Menabe Antimena (Apma), ny alatsinainy 4 aogositra 2025 teo. Toerana miisa efatra no voakasiky ny afo, ny any Anketrevo, Mandrotra, Tsarataona ary Kibo. Araka ny tatitra azo, sarotra ny nifehezana ny afo satria tsy nisy ny lalana nahafahana namonjy ny toerana nisy ny […]
Toe-karena
Morafenobe : Mivelona amin’ny jono an-tanety ny mponina
Lavitra sady saro-dalana ny any Ankilandilana, 70 km miala ny distrika Morafenobe, faritra Melaky. Na izany aza, miezaka manakaiky ny vahoaka eny ifotony ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga (MPEB), entina hampiroboroboana ny sehatry ny jono. Tonga tany an-toerana ny minisitra Mahantante Paubert sy ny mpiara-miasa, ny herinandro lasa […]
Fanondranan’entana mankany Etazonia: Nihatra nanomboka ny 7 aogositra ny haba 15%
Tsy tataovana ilay haba vaovao 15% fanampiny, napetrak’i Etazonia, ny harena an-kibon’ny tany, ny fitaovam-pianarana sy ny sosialy. Anisan’ny iharany kosa ny lavanila. Nanome fanazavana misimisy kokoa ho an’ny Fadintseranana malagasy, mahakasika ilay haba vaovao, tataovana 15%, ny rafitra amerikana Customs and Border Protection (CBP). Ampiharina ho fanampin’ireo haba efa […]
VAOVAO TAMBATRA
Araka ny rafitra mipetraka eo anivon’ny Sadc, ny firenena mandray ny Fitarihana ity fivondronam-be ity no mitarika ireo kaomity rehetra ao aminy. Koa, ho an’ny Kaomitin’ny Fitantanam-bola, izay manatanteraka ny fivoriana anio 08 aogositra, dia ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Ramanampanoharana Andry, no hitarika sy handrindra izany […]
Airtel Africa : Tafakatra 169,4 tapitrisa ny isan’ny mpanjifa
Nivoaka ny tatitry ny orinasa Airtel Africa tao anatin’ny taom-piasana telo volana (avrily, mey, jona 2025) teo. Tsara ny vokatra tamin’ny ankapobeny. Tafakatra 169,4 tapitrisa ny isan’ny mpanjifa, nahitana fitomboana 9%, manerana ny firenena 14 aty Afrika. Nitombo 17,4% ny mpanjifa nisitraka ny tolotry ny Airtel Africa, miisa 75,6 tapitrisa. […]




