Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny hampamiratra ny hoavin’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Nisokatra nanomboka omaly ny fiofanana arakasa andiany fahenina anatin’ilay fandaharanasa Pôle stage Madagascar (PSM). Fampiofanana iarahan’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) ary ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa (FOP), […]
Toe-karena
Fandraharahana: laharana voalohany i Madagasikara
Maro ireo tanora liana sy misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Manodidina ny 19,5% ny tahan’ny asa fandraharahana (activité entrepreneuriale) eto Madagasikara, mametraka ny firenena amin’ny laharana fahavalo maneran-tany, voalohany kosa amin’ireo firenena ambany fidiram-bola, ny taona 2020. Firenena mavitrika amin’ny famoronana orinasa i Madagasikara. Manodidina ny 19,6% ny tahan’ny […]
Ny asako rahampitso andiany faha-16: nampidirana sehatrasa vaovao mahaliana ny tanora
Ny lycée J J Rabearivelo sy ny lycée Andoharanofotsy no nandray ireo mpisehatra amin’ny “Ny asako rahampitso”. 5 833 ireo mpianatra hahazo tombontsoa mandritra ny hefarana. 200 mahery ireo mpisehatra hitafa amin’ny mpianatra 2nde amin’ny lycée valo eto Antananarivo momba ny asa sy ny lalana hizorana hahatongavana amin’izany. Misy karazana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hampitomboina ny isan’ny fiaramanidina hampiasain’ny Madagascar Airlines. Maika ny ilana azy ireo satria hiditra amin’ny vanim-potoana maha betsaka ny mpizahatany, manomboka ny volana jona ho avy izao. Tsiahivina fa roa sisa ny fiaramanidina eo am-pelantanan’ity orinasam–panjakana ity. Mahatratra 14 250 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody hiadiana amin’ny andiam-balala. Voakasik’ izany […]
Medd: Fitaovana ho an’ny VOI
Nidina ifotony tany amin’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine, ny 4-8 avrily teo. Notolorana fitaovana ny fikambanam-behivavy, miompy landibe sy mpanenona sady miaro ny ala tapia any amin’ny kaominina Ambohimanjaka, faritra Amoron’i Mania. Notsidihiny koa ny toerana fanodinana lohamenaka […]