Toe-karena

Mandritra ny taona 2024: hiroborobo ny toekaren’ i Madagasikara

Handroso ny sehatry ny toekaren’i Madagasikara ho an’ity taona ity, taorian’ireo ezaka natao teo aloha sy ho an’ny vina napetraka manaraka. Manome vahana ho an’ny fampandrosoana ny fivoaran’ny marefo maneran-tany. Hihatsara ny tontolo ara-toekaren’i Madagasikara mandritra ity taona ity raha ny vinavina nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Hiroborobo ireo orinasa […]

Banky iraisam-pirenena: Vao mainka hahantra ny ampaha­telon’ ny mponina amin’ity 2024 ity

Navoitran’ny tale jeneralin’ny Banky iraisam- pirenena, Rtoa Anna Bjerde, fa tratry ny hanoanana ny 60%-n’ny vehivavy sy ny ankizivavy mandritra ity taona 2024 ity. Tsy mifandanja ny fahazoan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny tsenan’ny asa, ka mila arenina. Naneho hevitra ny tale jeneraly, DG-n’ny asa ao amin’ny Banky iraisam-pirenena […]

Fanampiana japoney: fitaovana fanaovan- dalana ho an’ny MTP

Ankoatra ny fitokanana ny tetezan’i Mangoro Moramanga vaovao, ny 9 febroary teo, nanolotra fiarabe sy milina fanamboaran-dalana ho an’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ihany koa ny fanjakana japoney. Nandray ireo fanomezana ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny masoivohon’i Japana, […]

Famatsiam-bola vahiny: hafainganina ny famoaham-bola

Tsy ampy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fifanarahana amin’ny findramam-bolan’ny fanjakana amin’ny any ivelany. Mavesatra ny pitsompitsony amin’ny fanaovana ny fandaniana sy ny fampanarahan-dalàna ny fanatanterahana azy. Ambany ny tahan’ny famoaham-bola amin’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola (MEF). Antony, mavesatra ny […]