Toe-karena

FIM 2025: Fahombiazana ny hetsika, vina ho an’i Afrika

Fahombiazana lehibe ny setriny ho an’ny andiany faha-19 amin’ny Foire internationale de Madagascar (Fim), notanterahina teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato, ny 22 hatramin’ny 25 mey lasa teo. Ho an’ny MadaVision, mpikarakara ny hetsika, nametraka aina vao ny « Fim 2025 ». Mihoatra ny 250 ireo mpandray anjara tamin’ity andiany ity, […]

« Forum de l’orientation et de l’employabilité”: Hitarihana ny tanora amin’ny sehatry ny asa

Tanterahina omaly sy anio, etsy amin’ny foiben’ny Pro­gramme sésame Ambatoroka, ny « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahasivy. Manodidina ny 50 mahery ireo orinasa sy ivontoeram-panofanana miara-miombon’antoka sy mandray anjara. Manao fifampizarana amin’ny tanora tonga eny an-toerana, mahakasika ny tontolon’ny asa izy ireo. Maro ny zavatra hita eny, toy […]

VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny […]

Fadin-tseranana : Mahomby tanteraka ny fitiliana ataon’ny alika

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy […]

Banky Foiben’i Madagasikara : Hanamora ny fandoavam-bola ny e-Ariary

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’ny tanàna, omaly, ny e-Ariary. Fandoavam-bola vaovao niomerika ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanenana ny fikirakirana vola taratasy sy vy eto Madagasikara. Tanterahina ao anatin’ny 10 volana ny andrana hampiasana ny e-Ariary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. […]