Toe-karena

Tapany avaratry ny Nosy : Miaro ny ala honko ny faritra sy ny kaominina

Miisa dimy ny faritra (Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny) ao anatin’ny Vovonana fitantanana ny Faritra arovana (PFGap) Avarabe Lovainjafy. Anisan’ny sahanin’izy ireo ny fiarovana ny ala honko sy ny rohivoahary any an-toerana. Nohazavain’ny Talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana (DID) faritra Sofia, sady filoha lefitry ny PFGap Avarabe Lovainjafy, Fidèle […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 6 ora isan’andro ny fahatapahan-jiro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, amin’izao fotoana. Miteraka fahasorenan’ny mpanjifa ny zava-misy na eo aza ny fanazavana ataon’ny orinasa Jirama. Miantraika amin’ny famatsian-drano ny tsy fisian’ny herinaratra. Mitandahatra maro eny amin’ny paompy ny daba mavo miandry ny fiverenan’ny rano hampiasaina ao an-tokantrano, mikorontana ny […]

65 taona fahaleovantena: Labiera vaovao mandritra ny 2 volana ihany

Mandray anjara amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ny orinasa Star. Nambaran-dRakotonarivo Miora, tomponandraikitry ny marika ao amin’ny orinasa, omaly, fa manolotra vokatra vaovao, « THB Indépendance, labieran’ny Fahaleovantena », izy ireo hanamarihana izany. Labiera vaovao, manana tsiro sy loko vaovao matroka (ambrée) miohatra amin’ny mahazatra. Ambony kokoa ny heriny, 6,5% […]

Tahirimbolan’ny lalana FR : Arahi-maso ny fanamboaran-dalana

Tsy maintsy arahi-maso sady hamarinina ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana eto amintsika. Tanjona ny hananana lalana mafy orina sy maharitra ary azo antoka ho an’ny mpampiasa azy. Manao ny fitsirihana sy fanaraha-maso ara-teknika ny Laboratoara nasionaly ny Asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Singanina amin’izany […]

Toekarena manga: Jerena ny fomba hisarihana ireo mpampiasa vola

Loharanon-karena fanoitry ny fampandrosoana ny firenena ny toekarena manga. Ilaina ny hisarihana ireo mpampiasa vola hanohana antsika hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny jono. Dinihina mandritra ny fikaonandoha atao eto Madagasikara ny paikady hanatanterahina ireo vina apetraka. Vonona hampiroborobo ny toekarena manga i Madagasikara ho fanoitry ny fampandrosoana ny firenena. Ilaina […]