Toe-karena

Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA): hampitombo ny famatsian-jiro ny foibe Ambohimanambola

Hisy fivoarany goavana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Hanana ny famokarany manokana ho azy ny Jirama eny Ambohimanambola. Manan-danja amin’ny fandraharahana ara-toekarena eto Antananarivo ny famatsiana amin’ny herinaratra. Anisan’ny paikady nofaritan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) ny hanitarana ny foibe mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny solika eny Ambohimanambola. Hampiakatra ny […]

Andriantsitohaina Naina : Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany

Voatendry handrafitra ny governemanta tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy hitantana ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina. Efa nitana ny toeran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny ny tenany, tamin’ny taona 2019 mialoha ny naha ben’ny Tanànan’An­ta­nanarivo renivohitra azy. Filoha mpitantana ny vondrona Andriantsitohaina ihany koa izy. Ankoatra izay, mpandraharaha […]

Fanatsarana ny voka-bary : mahomby ny teknika P-dipping

Haingana kokoa ny fiakaran’ny voka-bary azo avy amin’ny teknika P-dipping entin’ny Papriz, natao tao Betsimitatatra, raha oharina amin’ny teknika nentim-paharazana. Mitombo ny vokatra, mihena, manaraka izay koa, ny fahasimban’ny vary vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Miompana amin’ny fampiasana zezika TSP, izay akora fototra entina hanatsarana ny voka-bary any amin’ny tany manta […]

Fananantany ; Karatany 1 tapitrisa isan-taona hozaraina

Mahatratra hatrany amin’ny 1 tapitrisa isan-taona ny karatany hozaraina manomboka amin’ity taona ity hatramin’ny taona 2028. Mano­didina ny 50 000 kosa ny bokin-tany hozaraina, araka ny tatitry ny ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fana­jariana ny tany sy ny fananan-tany, omaly, nandritra ny hetsika fanolorana ny Plans locaux d’occupation foncière (PLOF), tetsy […]