Toe-karena

FCEM: Hampivelatra ny fandra­harahan’ny vehivavy

Hitondra tombontsoa maro ho an’ny vehivavy mpandraharaha malagasy ny fikaonandohan’ny vehivavy mpandraharaha maneran-tany (Comité Mondial des Femmes Chefs d’Entreprises). «Ahafahan’izy ireo miditra anatina tambazotrana vehivavy mpandraharaha eto an-toerana sy any ivelany. Hampitombo ihany koa ny traikefa sy ny fahalalany ary ny hampivelatra ny eo amin’ny sehatrasany eto an-toerana sy any […]

Fanatanterahana ny tetikasa Volobe : Manolotra hatramin’ny 700 tapitrisa euros ny orinasa EDF

Manolo-tanana an’i Madagasikara amin’ny fanangananana ireo fotodrafitrasa ho an’ny tetikasa Volobe ny orinasa frantsay EDF. Mahatratra 700 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omeny. Vita sonia teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha, ny alarobia teo, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny fanjakana frantsay amin’ny alalan’ny orinasa EDF Renouvelables International sy ny tetikasa Volobe. Ta­fiditra ao anatin’ny asa […]

VAOVAO TAMBATRA

Maro ny ezaka vita sy mbola atao amin’ny sehatry ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny hetra sy ny fadintseranana, ny fanavaozana ny fandaniam-bolam-panjakana, ary ny fanatsarana ny fitantanana sy fandrindrana ny risika ara-bola. Vonona hanome tantsoroka ara-teknikna an’i Madagasikara ny Sampan-draharaha misahana ny fitantanam-bola (FAD) eo anivon’ ny FMI. Tsy mitsaha-mitotongana ny […]

Volamena 25,5 kg tratra tao Maorisy: Napetraka ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara

Naterina avy hatrany eny anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara ireo volamena 25,5 kilao tratra tatsy amin’ny nosy Maorisy ny taona 2019, taorian’ny lanonam-pamerenana izany, teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI). Nanolotra ireo volamena ireo tamin’ny filoha Rajoelina Andry ny praiminisitra […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Ho sompitra i Madagasikara

Antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nambaran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tamin’ny lahateniny, nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI), fa « fanamby ny hahatongavan’i Madagasikara ho sompitry ny famokarana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina afaka taona vitsy». […]