Toe-karena

Fihaonamben’ny FCEM : Mampiakatra ny fahaiza-manaon’ny vehivavy

Hanampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany ary ha­nampy ny fampakarana ny lentan’ny vehivavy malagasy ny fihaonana an-tampony ny kaomity iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy mpandraharaha sy tompona orinasa (FCEM), atao eto Mada­ga­sikara, mandritra ny telo andro. «Hanampy amin’ny fampivoarana ny diplaomasia ara-toekarena ny hetsika sady hanampy amin’ny fitadiavana […]

Andaboy : Ny 2 ha ihany no ampiasain’ny Base

Toerana azo ivezivezen’ny rehetra ny morontsirak’ Andaboy. Toy ny morontsiraka rehetra, toerana azo itsangatsanganana ihany koa, toy ny tamin’ny alatsinain’ny Paka teo, izay nahavory olona anarivony, satria nahitana hetsika fialamboly maro. « Milamina ny rehetra », hoy i Anitha. Ho an’i Haraneny Gaëlle, « mazava izao, fa tsy marina ny filazana fa tsy […]

Fandaharanasa DEEP : Halalinina ny fikarohana mahakasika ny fahantrana

Tsy ampy ny fikarohana manodidina ny fahantrana eto Madagasikara. Mikaondoha ny manampahaizana, ny mpanapa-kevitra, tomponandraikitra isan-tsokajiny, hikarohana vahaolana mahomby. Natao teto Antananarivo, ny atrikasa lehibe, entina hikarohana vahaolana maharitra iadiana amin’ny fahantrana eto Madagasikara. Manatanteraka azy ny Fan­daharanasa Antontam-baovao sy Porofo Hanafoanana ny Fahantrana (DEEP), miara-miasa amin’ny tetikasa Arake, midika […]

Pôle de l’entrepreneuriat: Tantsoroka ho an’ny mpandraharaha

Fotoana iray nampivondrona ireo mpanome tantsoroka, mpanohana sy mpamatsy volan’ny mpandraharaha ary ireo sehatra samihafa ny hetsika « pôle de l’entrepreneuriat », andiany fahefatra, no karakarain’ny maison de l’entrepreneuriat, ny sabotsy teo, tetsy Antani­na­renina. « Tanjona ny ha­nam­piana ireo mpandraharaha ao anatin’ny lalam-pihariana ataony sy hanomezana torohevitra azy ireo ao […]

VAOVAO TAMBATRA

Vaky ny fantson-drano iray manana habe 60 sm eny Mandroseza I, nahatonga ny fahatapahan-drano tamin’ny toerana maro teto an-dReni­vohitra, nanomboka omaly maraina. Maharitra adiny 8 ora ny asa fanamboarana. Anisan’ny voa­kasiky ny tsy fisian’ny rano ny eny Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatona­kanga, Anta­ninarenina,…, Antaninandro, Behoririka, …, Manja­karay, Ambo­ditsiry, Tsiadana, Mahamasina, Fort Voyron, […]