Toe-karena

Mitotongana ny sandam-bola : mihoatra ny 5 000 Ar ny iray euro

Mitohy hatrany ny fitotonganan’ny sandam-bola Ariary mi­o­hatra amin’ny vola vahiny euro. Niainga 4 990 Ar izany ta­min’ny 11 ora maraina. Ta­fa­ka­tra ho 5 010 Ar tamin’ny fifanakalozam-bola, nikatona ta­min’ ny 3 ora tolakandro, araka ny ta­rehi­­marika navoakan’ny Banky foiben’i Mada­gasikara (BFM). Nisanda 4 990,67 Ar ny salanisa ofisialy, ho an’ny […]

Titra maitso: tohana ho an’ny tanora ao Anôsy sy Androy

Mitohy ny fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha. Nahazo ny anjarany ny tanora misitraka ny Titra maitso tao Androy sy Anosy, ny 27 sy 28 desambra lasa teo. Fandaharanasa tantera­hin’ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanohanana kojakojam-pamokarana ny tantsaha. Tanjona ny hampiakarana ny vokatra. Avy amin’ny Tahirimbola hampiroboroboana ny famokarana (FDA) no […]

Zam Ambohidratrimo: Taonan’ny fampandrosoana ny 2024

Nentin’ny fikambanana Za­nak’Ambohidratrimo Maro­vata­na (Zam) namarana ny taona 2023 ny fitetezana ireo fokontany sivy ao anatin’ny kaominina Ambohidra­trimo. Tsy antoko politika ity fikambanana ity fa raisiny ho taonan’ny fampandrosoana ny tao­na 2024. Nisy ny fihaonana sy ny tafatafa niarahan’ny filohany, Rabary Hery, tamin’ny raiamandreny tao amin’ny sakeli-tanin’Ambohitara, ny fokontany Ambovo, […]

Fitaterana an-dalamby: tapaka nanomboka omaly ny FCE

Miato vonjimaika ny fitaterana an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE), nanomboka ny talata 2 janoary teo, noho ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Hamaki­vaky ny tanàna andalovan’ny zotra an-dalamby ny rivodoza ka antony nandraisana ny fepetra hiarovana ny mpandeha sy ny ainy. Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny hiverenan’ny fisokafan’ny zotra, araka ny […]