Toe-karena

Fanodinana: Vokatra azo avy amin’ ny volontsangana

Maro ny vokatra azo avy amin’ny volontsangana. Anisan’ny orinasa tena madinika misehatra amin’izany ny orinasa Moi Ecolo, natsangan-dRakototiana Santatra sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Niorina ny taona 2019, mifototra amin’ny famokarana vokatra avy amin’ny volontsangana. Maro ny vokatra vitan’izy ireo, toy ny kojakoja fanahazan-damba (pinces), sotrobe manokana fandoaran-tsakafo (spatule), boatikely, zavamaneno […]

Ravinala Airports: Mandeha ny fanavaozana ny seranan’Ivato

Mihazakazaka ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Hitarina ny fiantsonan’ny fiaramanidina. Mitohy ny fanatsarana hanaraka ny toetrandro ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Taorian’ ny fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, mi­ditra amin’ny fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tarmac) indray ny Ra­vinala Airports, ankehitriny. Tanjona ny hahafahana mandray fiaramanidina vaventy karazany maro. […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy ao anatin’ny faritra hotrandrahin’ny Base Toliara ny ala ahitana baobab. Nohamafisin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, izany, omaly. Nohazavainy fa « any amin’ny Faritra arovana, alan’i Tsimanapetsotsa no ahitana ity hazo ity, izay an-jatony kilometatra, andehanana an-tongotra roa andro any ho any ». Diso, araka izany, ny filazan’ireo manohitra ny […]

Fitandroana ny tontolo iainana : Mihatra ny didim- panjakana Mecie vaovao

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny didim-panjakana fampifanarahana ny fampiasam-bola amin’ny tontolo iainana (Mecie), laharana 2025-080, nivoaka ny janoary 2025. Miandraikitra azy ny Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE). Fitaovana lehibe ho an’ny fampifandanjana ny fampiasam-bolan’ny orinasa sy ny fiarovana ny rohy voahary, ny hatsaram-piainana ara-tsosialy […]

Tohana avy amin’ny Base Toliara: Nodiovina ny lakandrano manondraka velarantany 3 000 ha

Mitohy ny fanohanan’ny tetikasa Base ny velon-tenan’ny mponina ao amin’ny kaominina miisa 5, Toliara II. Anisan’izany ny fanadiovana ny lakandrano Andoharanomamovoky. Manohana ny tantsaha ny orinasa Base To­liara. Nanomboka oma­ly ny Fandaharanasa ho an’ny mponina eny ifotony, nanadiovana ny lakandrano Andoharanomamovoky, any Tsianisiha sy Ankilimaliniky, amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo). […]