Nentin’ny fikambanana Zanak’Ambohidratrimo Marovatana (Zam) namarana ny taona 2023 ny fitetezana ireo fokontany sivy ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Tsy antoko politika ity fikambanana ity fa raisiny ho taonan’ny fampandrosoana ny taona 2024. Nisy ny fihaonana sy ny tafatafa niarahan’ny filohany, Rabary Hery, tamin’ny raiamandreny tao amin’ny sakeli-tanin’Ambohitara, ny fokontany Ambovo, […]
Toe-karena
Fitaterana an-dalamby: tapaka nanomboka omaly ny FCE
Miato vonjimaika ny fitaterana an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE), nanomboka ny talata 2 janoary teo, noho ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Hamakivaky ny tanàna andalovan’ny zotra an-dalamby ny rivodoza ka antony nandraisana ny fepetra hiarovana ny mpandeha sy ny ainy. Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny hiverenan’ny fisokafan’ny zotra, araka ny […]
Hampaharitra ny tahiry : mikatona vonjimaika ny jono horita
Mikatona mandritra ny fotoana voafetra, nanomboka ny 15 desambra teo ka hatramin’ny 31 janoary, ny jono horita. Tanjona ny mba hahafahana mampitombo sy mampaharitra ny tahiry efa misy. Toy ny isan-taona, mikatona vonjimaika, nanomboka ny 15 desambra teo ka hatramin’ny 31 janoary 2024, ny jono horita amin’ny endriny rehetra. Mikatona […]
Fizahantany eto Madagasikara : nahatratra 222 848 ny mpitsidika tamin’ny 2023
Manomboka miarina tsikelikely ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Nahatratra 222 848 ireo mpizahatany tonga teto amintsika ny taona 2023, araka ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fizahantany. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny ezaka nataon’ny mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fandraisana ny vahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitomboana ny sidina iraisam-pirenena sy ny sidina anatiny izay antoka […]
Mahajanga : nodorana ireo vary simba 50 kaontenera
Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga, ny herinandro teo. “Tsy maintsy hanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana faran’izay haingana ireo manampahefana rehetra nanao sonia ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana momba ireo vary simba ireo, miaraka amin’izay olona rehetra nandray anjara nanelanelana tamin’io raharaha io”, […]