Toe-karena

Axian Telecom : 100 tapitrisa dolara hanitarana ny tambajotra

Hanitatra sady hampiakatra ny tanjaky ny tambajotra 4G eto Madagasikara sy Tanzania ary hanohy ny fametrahana ny 5G ny orinasa Axian Telecom. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Global Gateway an’ny Vondrona eoropeanina ity hetsika ity, ka mitentina 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Amin’ny […]

Yearbook 2024-2025 : Nivoaka ny Tatitra ara-toekarena vokarin’ny EDBM

Misy, ankehitriny, ny Tatitra ara-toekarena azon’ny mpampiasa vola jerena, mirakitra ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Hita ao daholo ny antontam-baovao mahaliana ara-potoana sy marina. Nampahafantarina ny alakamisy 10 avrily teo ny fivoahan’ny gazety boky Yearbook, mirakitra ny tatitra ara-toekarena ho an’i Madagasikara 2024-2025. Namokatra azy ny Antokon-draharaha EDBM, notohanan’ny Banky […]

MECC 2025: Hanokatra varavarana ho an’ny fifanakalozana lovainjafy

Hotanterahina ny 28 avrily ka hatramin’ny 10 mey ny « Mission économique et commerciale au Canada » (MECC) andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (Can-Cham). « Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina amin’ireo tera­tany kanadianina. Hampaha­fantatra ihany koa ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Notsidihina ny ampahan-dalana RN 5 eo anelanelan’Antalaha sy Marofinaritra. Nanatanteraka izany ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ahafahana mijery ny fanatanterahana ny « Lalan’ny masoandro », vinan’ny filoham-pirenena. Mirefy 2 000 km ity lalana ity, mampitohy ny any avaratra hatrany atsimon’i Madagasikara. Mitotaly 159 000 ireo mpandeha fiaramadina nandritra ny roa volana voalohan’ny taona ka […]

Antenimieran’ny Varotra : Manohana ny Base ny mpandraharaha any Toliara

Nihaona tamin’ny mpikambana ao anatin’ny Ante­ni­mieran’ny Varotra sy ny indostria (CCI) Toliara ny orinasa Base Toliara, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa akaiky amin’ny Base Toliara ny mpandraharaha any an-toerana. Noha­zavain’ny tomponandraikitry ny orinasa ny Drafitrasam-pampandrosoana entiny any amin’ireo kaominina voakasika. Notsipihin’ny Talen’ny fi­fandraisana ivelany, Base Toliara, Mahafaritsy […]