Natao sonia omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny ladoany malagasy sy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Hatsangana ny toeram-piofanana Akademian’ny ladoany sy ny Sekolin’ny Etamazaoron’ny Tafika. Hitondra fiovana lehibe ny tontolon’ny fanofanana amin’ny haban-tseranana sy ny Tafika. Nilaza ny tale jeneralin’ny ladoany, Lainkana Zafivanona, fa any Toamasina, izay tany nampiasain’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena […]
Toe-karena
Axian-Telma : nohavaozina ny EPP Garbit Antsirabe
Notokanana ny 8 desambra teo, ny fanavaozana ny sekoly EPP ao amin’ny Araben’ny fahaleovantena Garbit, Antsirabe. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Vondrona orinasa Axian sy ny Telma. Nahafahana nanao azy ny fandaharanasa ho an’ny orinasa Sekoly Telma, ny M’Hetsika MVola ary ny Madio Toa, novolavolain’ny Fondation Axian, vatsian’ny Telma ara-bola. […]
FIOFANANA HAINAHANDRO : mampivoatra ny tanora
Hotanterahina ny sabotsy 16 desambra 2023 izao, etsy amin’ny Radisson Ambodivona, ny andiany voalohany mahakasika ny « Salon de l’orientation en hôtellerie, restauration, art culinaire ». Hetsika karakarain’ny eo anivon’ny Edustep. Natao hanampiana ny tanora sy ny mpianatra liana amin’ny fanarahana ny lalam-piofanana mahakasika izany. « Tanjona ny hampahafantarana sy hitaritana ary hisarihana […]
Tsenaben’ny mpandraharaha : manampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra
Nanomboka omaly ka hifarana ny sabotsy izao ny Tsenaben’ny mpandraharaha, andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Madagascar Entreprises Développement (MED) etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ahafahan’ ireo mpandraharaha samihafa mampiranty ny vokatra ataony. « Tanjona napetraka ny hitadiavana lalam-barotra, ny fampitomboana ny rantsam-pifandraisana fa indrindra ny fanomezan-danja ny vokatra mala-gasy », hoy ny fanazavan-dRazanadrakoto Ambinintsoa, filohan’ny […]
Delestazy : nandroso vahaolana ny mpandraharaha tsy miankina
Namoaka fanambarana, ny 12 desambra teo, ny vondron’ny mpandraharaha tsy miankina manodidina ny 30 eto Madagasikara. Anisan’ny navoitran’izy ireo ny fandanian’ny orinasa mihoa-pampana amin’ny herinaratra vokatry ny delestazy lavareny. Miantraika ratsy any amin’ny fiharian’ny mpandraharaha ny delestazy. Efa nisy hatry ny ela ny tetikasa famokarana herinaratra azo avaozina sy ny avy […]