Natolotry ny Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny alatsinainy 31 marsa teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa dimy. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity, lasa dimy ny mpisitraka raha 3 teo aloha, sady nampiakarina ho 1 500 000 Ar ny vatsim-pianarana, raha 1 000 000 Ar tamin’ny taon-dasa. Izay mpianatra mendrika no anisan’ny masontsivana […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 300 ny mpiasan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, nanao Hetsika tanamaro (Himo), omaly. Nisy ny fanadiovana nanomboka teny Antaninarenina hatrany Tsaralalana. Hetsika nanatsarana ny endriny ny tanàna sady handraisana ireo vahiny hiatrika ny fivoriamben’ny COI eto Antananarivo. Hatao ny 21 na 22 avrily ho avy izao ny hetsika fanindroany. Higadona androany […]
CNM: Hanatsara ny fomba fiasan’ny mpiasa
Tanterahina mandritra ny telo andro, eny Anosy, ny Herinandron’ny Vaomieram-pirenena momba ny tsenambaro-panjakana (CNM). Fotoana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CNM sy ny fitantanana ary ny fomba fiasa ao. Hisy ny fampiofanana ireo mpiasa izay hiaraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary koa ny fanofanana ireo mpikambana vaovao eo […]
Fihaonana: Mpianatra miisa 300 namboly zana-kazo
Miisa 3 000 ireo zana-kazo novolen’ny Orange Madagascar sy ireo mpinatra 300 isa avy ao amin’ny CEG Fihaonana, ny zoma teo. Hetsika hiadina amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ho fanabeazana ara-tontolo iainana ny mpianatra. Tanjona ny hampahafantarana ireo mpianatra ny lokanadin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy hampirisihina azy sahady hanaja ny tontolo iainana. Niray […]
Depiote Tinoka Roberto: Tsy hihemotra ny mponin’ i Toliara momba ny Base
Tsy hanaiky hijanona ao anaty fahantrana intsony ny vahoakan’Atsimo Andrefana. Andry lehibe ianteheran’izy ireo mankany amin’ny fampandrosoana ny tetikasa Base Toliara. Nahitsy ny tenin’ny solombavambahoaka Toliara I, sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Toliara, Tinoka Roberto, ny alakamisy lasa teo, tany Toliara. Nitodika tany amin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany […]




