Miara-misalahy amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’izao fotoana izao ny firenena 190. Tafiditra anatin’izany i Madagasikara. Misandrahaka manerana ny firenena maro ny fisian’io tranga kolikoly io. Voakasika izany avokoa ny ankamaroan’ny sehatra miankina sy ny tsy miankina. Ny fanararaotam-pahefana, ny fanaovana tsolotra eny anivon’ny sampandraharaha maro samihafa. Tsy mijanona amin’ny firenena […]
Toe-karena
Sofia sy Betsiboka : kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha
Mitohy ny fanokafana ny taom-pamokarana 2023-2024, sady fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha, ao anatin’ny tetikasa Purpa, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nisitraka ny azy ny faritra Sofia sy Betsiboka, ny herinandro lasa teo. Ho an’ny faritra Sofia, miisa 131 ny tantsaha any amin’ny kaominina Tanambao, Matsaborilemby, Tsarahasina ary Port-Bergé, […]
Fikambanana Zam : tohana ho an’ny fokonolona
Mitohy ny fanohanan’ny fikambanana Zanak’ Ambohidratrimo Marovatana (Zam) ny mponina eny ifotony. Nahazo rano fisotro ny fokonolona any amin’ny fokontany Ampanataovana, ny herinandro lasa teo. Nomena masomboly koa ny tantsaha, amin’izao taom-pambolena izao. Nahazo tohana ara-bola ny mpianatry ny EPP avy amin’ ny fianakaviana sahirana. Mpianatry ny kilasy T4 ao […]
Fitrandrahana tsy ara-dalàna: governora sy sinoa 12 naiditra am-ponja
Sinoa 12 naiditra am-ponja tamin’ny sabotsy. Miampy Malagasy roa izany ka governora ny iray. Ampangaina ho nanao kolikoly sy fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna izy ireo. Niakatra fampanoavana ny sabotsy 9 desambra ny raharaha nahatrarana teratany sinoa miisa 12 tany Marokoro, distrika Maevatanana. Nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany amin’ ny reniranon’i […]
Fitaterana ana habakabaka : hanokatra lanitra amin’ny firenena Arabo sy Azia i Madagasikara
Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hanokafana ny lanitr’i Madagasikara amin’izao tontolo izao, hampiroboroboana ny fitaterana ana habakabaka. Ankehitriny, kaompania maro avy any ivelany no liana amin’ny fanaovana sidina mankaty Madagasikara. Tetikasa izay mifanindry an-dalana amin’ny tanjona apetraky ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy hanatrarana ny mpizahatany 1 tapitrisa […]